Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 7, 21.24-27.
<21Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
24Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy;
25ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy.
26Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika;
27ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany. >