Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 8
Ny nahasitranan'ilay boka, sy ilay mpanompon'ny kapiteny sy ny rafozam-bavin'i Piera - Demony voaroaka.
1Rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia narahin'ny vahoaka betsaka. 2Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka azy ka nanao hoe: Tompo ô, raha mety hianao, dia mahay manadio ahy. 3Ary Jesoa naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety aho, madiova hianao. Dia afaka niaraka tamin'izay ny habokany. 4Ary hoy Jesoa taminy: Tandremo, aza milaza na amin'iza na amin'iza, fa mandehana miseho amin'ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian'i Moizy haterina mba ho vavolombelon'ny fahasitrananao.
5Ary rahefa niditra tao Kafarnaoma izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona azy ka nihanta taminy, 6nanao hoe: Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy. 7Ary hoy Jesoa taminy: Ho avy hanasitrana azy aho. 8Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin'ny iray hoe: Andeha hianao, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray: Ataovy izao, dia manao izy. 10Gaga Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin'izay nanaraka azy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin'Israely. 11Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin'ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra, 12fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin'ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 13Ary hoy Jesoa tamin'ilay kapiteny: Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankiziny.
14Ary nony tonga tao an-tranon'i Piera Jesoa, dia nahita ny rafozambavin'i Piera nandry fa nararin'ny tazo, 15dia notendreny ny tànany, ka niala ny tazo, ary nitsangana niserivy azy ireo izy. 16Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon'ny demony nentina teo aminy, ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary, 17mba ho tanteraka ilay tenin'Izaia mpaminany hoe: Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.
18Nony hitan'i Jesoa ny hamaroan'ny olona nanodidina azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano izy. 19Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao. 20Ary hoy Jesoa taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak'olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. 21Ary ny anankiray tamin'ny mpianany koa nilaza taminy hoe: Tompoko, avelao aho aloha handevina ny raiko; 22fa hoy Jesoa taminy: Manaraha ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.
23Ary niondrana tamin'ny sambo kely izy ka narahin'ny mpianany. 24Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin'ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary izy anefa natory. 25Dia nanatona azy ny mpianany, ka namoha azy nanao hoe: Tompoko, vonjeo izahay fa maty. 26Ary hoy Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo ry kely finoana? Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. 27Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: Iza io Lehilahy io no manaiky azy ny rivotra sy ny ranomasina?
28Nony efa tonga teny am-pita tamin'ny tanin'ny Geraseny izy, dia nisy lehilahy roa nidiran'ny demony, nivoaka avy tamin'ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany làlana izany. 29Ary indreo izy niantso hoe: Mifampaninona izahay sy hianao, ry Jesoa zanak'Andriamanitra? Hampijaly anay alohan'ny fotoana va no nalehanao atý? 30Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra azy teny, 31ka nihanta tamin'i Jesoa ny demony nanao hoe: Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso ho amin'iretsy andian-kisoa iretsy. 32Ary hoy izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin'ny kisoa; niaraka tamin'izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. 33Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin'ireo olona roa nidiran'ny demony. 34Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an'i Jesoa, ka nony nahita azy, dia niangavy taminy mba hiala amin'ny faritaniny. >