Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 8, 5-11.
<5Ary rahefa niditra tao Kafarnaoma izy, dia nisy kapiteny anankiray nanatona azy ka nihanta taminy, 6nanao hoe: Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy. 7Ary hoy Jesoa taminy: Ho avy hanasitrana azy aho. 8Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 9Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin'ny iray hoe: Andeha hianao, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray: Ataovy izao, dia manao izy. 10Gaga Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin'izay nanaraka azy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin'Israely. 11Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin'ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra, >