Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 9, 21-27
<21fa hoy izy anakampony: Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho. 22Ary nitodika Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Hatramin'izay dia sitrana ravehivavy. 23Nony tonga tany an-tranon'ilay lehibe Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: 24Mialà hianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory. Dia nihomehezan'ireo izy. 25Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra izy, ka nandray ny tànan'ilay zazavavy, dia nitsangana io. 26Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazan'izany.
       27Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roalahy nanaraka azy, sady niantso mafy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay. >