Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 9, 27-31.
<27Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roalahy nanaraka azy, sady niantso mafy nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô! mamindrà fo aminay. 28Nony tonga tany an-trano izy, dia nanatona azy ireto jamba, ary hoy Jesoa taminy: Moa mino hianareo fa mahay manao izany aho? Eny, Tompoko, hoy ireo taminy. 29Dia notendreny ny masony, ka hoy izy: Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo. 30Dia nihiratra ny masony, ary Jesoa nandrara azy mafy hoe: Tandremo sao ho ren'olona izao; 31kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin'izany tany rehetra izany. >