Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Matio toko 9, 35-38.10
<10Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio Jesoa, dia nisy poblikàna sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'izy sy ny mpianany.
35Ary Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin'ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. 36Onena izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. 37Dia hoy izy tamin'ny mpianany: ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; 38koa mihantà amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny. >