Bokin'i Mikea

Toko faha-4

1 Izao no ho tonga any amparan'ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon'ny Tompo, haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin'ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.

2 Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba; fa hampianariny antsika ny làlany, dia hizotra amin'ny sakeli-dàlany isika.

3 Ho elanelam-panahy amin'ny firenena maro izy sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any. Hanefy ny sabany ho lelan'angadin'omby ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana; tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.

4 Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin'ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan'ny Tompo'ny tafika no efa niteny.

5 Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin'ny anaran'ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin'ny anaran'ny Tompo, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.

6 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka, sy izay efa nasiako mafy.

7 Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka Iaveh hanjaka amin'izy ireo ao an-tendrombohitra Siona hatramin'izay ka ho mandrakizay.

8 Ary hianao, ry tilikambon'ny andiam-biby fiompy, tendrombohitry ny zanakavanin'i Siona ho tonga hatreo aminao, dia hiverina aminao ny fanapahana taloha, dia ny fanjakana izay ananan'ny zanakavavin'i Jerosalema.

9 Nahoana no manezaka mitaraina hianao ankehitriny? Tsy misy mpanjaka va, eo aminao, ary levona ny mpanolo-tsainao, no dia voan'ny fanaintainana hianao, toy ny vehivavy raha miteraka?

10 Aoka ho voan'ny fanaintainana sy hanezaka hianao, ry zanakavavin'i Siona, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna hianao ankehitriny, ka honina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilona; any no hanafahana anao; any no anavotan'ny Tompo anao, ho afaka amin'ny tànan'ny fahavalonao.

11 Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halam-baraka izy, ary aoka hibanjina an'i Siona ny masontsika!

12 Tsy fantatr'izy ireo anefa ny hevitry ny Tompo; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambarany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.

13 Mitsangàna ka mihose, ry zanakavavin'i Siona, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kihonao, hataoko varahana, ka hanorotoro firenena maro hianao, ka hanokana ny tombo-karena azony ho an'ny Tompo aho, sy ny hareny, ho an'ny Tompon'ny tany rehetra.

14 Koa ankehitriny, ry zanakavavin'ny antoko - miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsorakazo amin'ny takolany ny mpitsara an'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.096