Bokin'i Mikea

Toko faha-5

1 Ary hianao, ry Betleema Efrata, kely tsy tokony ho isan'ireo arivon'i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin'Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin'ny andro fahagola, hatramin'ny andro mandrakizay.

2 Koa noho izany, dia hanolotra an'ireny izy mandra-pihavin'ny fotoana hiterahan'ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin'ireo rahalahiny dia hiverina amin'ny zanak'Israely.

3 Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin'ny herin'ny Tompo, amin'ny fiandrianan'ny anaran'ny Tompo Andriamaniny; ary handry fahizay ny olona, fa ho lehibe izy amin'izay hatrany amin'ny faran'ny tany.

4 Izy no ho fiadanana. Rahefa ho tonga eto amin'ny tanintsika ny Asiriana, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpanapaka ny vahoaka valo.

5 Hiandry ny tanin'i Asora amin'ny sabatra ireo, sy ny tanin'i Nemroda eo ambavahadiny; ary izy hanafaka antsika amin'ny Asiriana, rahefa tonga amin'ny tanintsika ireny, sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony.

6 Ary ny sisa amin'i Jakoba, any amin'ny firenena maro, ho toy ny ando avy amin'ny Tompo, toy ny orana mipitipitika milatsaka amin'ny ahi-maitso; izy tsy miandry izay olona akory, na matoky ny zanak'olombelona.

7 Ary ny sisa amin'i Jakoba, any amin'ny firenena, eo afovoan'ny vahoaka maro, dia ho toy ny liona eo amin'ny biby any an'ala, ho toy ny liona tanora eo amin'ny andian'ondry; ka raha mandalo sy manosihosy ary mamiravira izy, tsy misy mahavonjy.

8 Aoka hiainga ny tànanareo hamely izay manohitra anareo, ary aoka ho ringana ny fahavalonareo!

9 Amin'izany andro izany, - teny marin'ny Tompo, ny soavalinao haringako eo aminao, ny kalesinao hofongorako.

10 Ny tanàna eo amin'ny taninao horavako; ny tranonao mimanda harodako avokoa.

11 Ny famosavianao, hesoriko eny an-tànanao, ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.

12 Ny sampy aman-tsangam-batonao ho foanako eo aminao, ka tsy hivavaka amin'ny asan-tànanao intsony hianao.

13 Hongotako ny aserah eo afovoanao, ary harodako ny tanànanao.

14 Ary amin'ny hatezerako amam-pahavinirako aho hamaly faty an'ireo firenena izay tsy nihaino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0868