Boky Faharoan'ny Mpanjaka
2 Mpanjaka toko 4, 1-7
Fahagagana nataon'i Elisea: ny diloilon'ilay vehivavy mpitondratena - Ilay vehivavy Sonamita sy ny zanany - Ilay hanina mahafaty tao am-bilany - Ny mofo lafarina roapolo.
1Nisy vehivavy anankiray vadin'ny iray amin'ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin'i Elisea, nanao hoe: Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an'ny Tompo ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.
2Dia hoy Elisea taminy: Inona no azoko atao ho anao? Lazao hoe izay anananao ao an-trano. Ary hoy ny navalin-dravehivavy: Tsy manana na inona na inona ao an-trano ny ankizivavinao afa-tsy diloilo iray tavoara monja. 3Ka hoy izy: Mandehana mindran-tavoara amin'ny mifanolo-bodirindrina aminao rehetra, dia tavoara foana, ka aza atao vitsy loatra. 4Ary rahefa tafiditra hianao, dia mirindrina aman-trano ao, hianao sy ny zanakao, ka aidino amin'izay tavoara rehetra eo ny diloilo, ary isaky ny misy feno dia atokany. 5Dia nandao azy ravehivavy; ary nirindrina aman-trano tao izy sy ireo zanany, ka ireo zanany moa nitondra ny tavoara nankeo aminy, izy kosa nampidina ny diloilo. 6Rahefa feno ny tavoara dia hoy izy tamin-janany: Mbola itondray tavoara aho. Fa hoy ny navalin'ny zanany: Tsy misy tavoara intsony. Dia nitsahatra ny diloilo. 7Koa lasa nilaza izany tamin'ilay olon'Andriamanitra izy ary hoy izy: Mandehana amidio ny diloilo hanefanao ny trosan'olona aminao, dia hivelomanao sy ny zanakao ny sisa. >