Boky Faharoan'ny Mpanjaka
2 Mpanjaka toko 4, 8-16
<8Indray andro Elisea nandalo tany Sonama. Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao niangavy mafy taminy hisakafo, ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisafako. 9Ary hoy ravehivavy tamin'ny lahy: Indro fantatro fa olo-masin'Andriamanitra iny mpandalo eto amintsika matetika iny. 10Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina, ho azy, dia hasiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy, mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy. 11Dia tonga tao Sonama Elisea indray andro ka nipetraka tao amin'ilay efi-trano avo sy nandry tao. 12Ary hoy izy tamin'i Giezi mpanompony: Antsoy ilay vehivavy Sonamita. Dia nantsoin'i Giezi ka nandroso nankeo anatrehany. 13Ary hoy Elisea tamin'i Giezi: Lazao azy kely izao: Indro nikarakara anay tamin'izao zavatra rehetra izao hianao, ka inona kosa no mety hatao ho anao? Tianao va ny hiresahako amin'ny mpanjaka na amin'ny filohan'ny tafika mba ho anao? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Efa monina eto amin'ny fireneko aho. 14Ary hoy Elisea: Ka inona ary no hatao ho azy? Dia hoy ny navalin'i Giezi: Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra. 15Ary hoy Elisea: Antsoy ary izy. Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana; 16ka hoy Elisea taminy: Raha afaka herintaona amin'izao fotoana izao dia hisafosafo zazalahy hianao. Fa hoy izy: Tsia, aza dia laingainao ny ankizivavinao, ry olon'Andriamanitra tompoko. >