Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-6

1 Misy ratsy hitako aty ambany masoandro; sady mavesatra amin'ny olombelona izany ratsy izany:

2 Misy olona nomen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra, ka tsy misy tsy ananany, rahefa mety ho zavatra, irin'ny fanahiny; nefa tsy omen'Andriamanitra fahefana hiarana amin'izany izy, fa olon-kafa no miarana amin'izany. Zava-poana amam-pahoriana mavesatra koa izany.

3 Na dia manan-janaka zato lahy aza ity olona anankiray sady ela velona taona maro izy, ary nihamaro ny andron'ny taonany, raha tsy voky hasambarana ny fanahiny, ary tsy nahazo levenana akory ny tenany, dia sambatra noho izy, ny tsy tonga volana, hoy aho.

4 Satria foana ny nahatongavany, amin'ny maizina no ahalasanany; ho voasaron'ny aizina ny anarany;

5 tsy ihany na fantany akory izay masoandro; be fialan-tsasatra izy noho ilay olona.

6 Ka na ho velona indroa arivo taona aza izy nefa tsy miarana amin'ny fahasambarana, tsy samy ho any amin'ny fitoerana iray ihany va ny zava-drehetra?

7 Ny asan'ny olombelona dia ho an'ny vavany avokoa, nefa ny faniriany tsy mety afa-po na oviana na oviana.

8 Fa inona no soa azon'ny hendry mihoatra noho ny an'ny adala? inona no soa azon'ny mahantra mahay mitondra tena eo imason'ny velona?

9 Aleo ny hita maso, toy izay ny firedireden'ny faniriana. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.

10 Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo; fantatra ihany izay ho toetry ny olona; ary tsy mahazo mifandahatra amin'izay mahery noho izy izy.

11 Fa betsaka ny teny izay mampitombo ny zava-poana fotsiny: Ka inona no soa azon'ny olona amin'izany?

12 Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an'ny olona amin'ity fiainana ity; dia amin'izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin'ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin'ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, aty ambany masoandro?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1807