Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-7

1 Aleo laza soa, toy izay hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izany ny andro ahaterahana.

2 Aleo mankany an-trano misy fisaonana, toy izay mankany an-trano misy fanasana; satria itsy voalohany no isehoan'ny hiafaran'ny olombelona, ka atodiky ny velona hieritreritra an'izany ny fony.

3 Aleo alahelo toy izay hehy; fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.

4 Ny fon'ny hendry, ao an-trano misy fisaonana, fa ny fon'ny adala, ao an-trano misy fifaliana.

5 Aleo mihaino ny fananaran'ny hendry, toy izay mihaino ny hiran'ny adala.

6 Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany ny hehin'ny adala. Zava-poana koa izany.

7 Fa ny fampahoriana, mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly, mahasimba ny fo.

8 Aleo ny fiafaran'ny zavatra, toy izay ny fiandohany; aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.

9 Aza maika foana ny ho tezitra am-po; fa ny tratran'ny adala no fitoeran'ny hatezerana.

10 Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha, no tsara noho ny ankehitriny? fa tsy mba fahendrena no anontaniana an'izany.

11 Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova, ary mahasoa an'izay mahita masoandro izy.

12 Fa sahala ny fiarovana avy amin'ny vola sy ny fiarovana avy amin'ny fahendrena; nefa soa manan-tombo ny fahaizana, dia mampiaina an'izay manana azy ny fahendrena.

13 Jereo ange ny asan'Andriamanitra: Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?

14 Mifalia, amin'ny andron'ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin'ny andron'ny fahoriana: fa samy nataon'Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran'ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.

15 Izao rehetra izao no efa samy hitako, tamin'ny andron'ny hatsinontsinoko. Misy marina, maty amin'ny fahamarinany; ary misy ratsy fanahy ela velona amin'ny faharatsiany!

16 Aza dia marin-doatra, ary aza dia miseho ho hendry loatra: ahoana no hitadiavanao hamono tena?

17 Aza dia sompatra loatra, ary aza dia adala: Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan'ny fotoanao?

18 Tsara ny hitananao an'ity, sy tsy hanaovanao mosalahy amin'iry; fa ny matahotra an'Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo.

19 Ny hendry, omen'ny fahendrena hery, mihoatra noho ny an'ny mpanapaka folo ao an-tanĂ na.

20 Fa tsy misy olombelona marina amin'ny tany, izay manao ny tsara, ka tsy manota akory.

21 Asa asianao raharaha loatra izao teny lazaina rehetra izao; fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.

22 Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika dia efa nanozona ny sasany koa hianao.

23 Hitako tamin'ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany; dia hoy aho: Ho hendry aho! kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena.

24 Izay tonga dia lavitra sady lalina dia lalina; ka zovy no mahatratra izany?

25 Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina ny fahendrena aman'anton-javatra, ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana, ary rediredy foana ny fitondra-tena adala.

26 Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony; ary famatorana ny tanany: izay matahotra an'Andriamanitra afa-mandositra azy; fa ny mpanota kosa hosingorany.

27 Izao no hitako, hoy ny Mpitoriteny, tamin'ny andinihana ny zavatra tsirairay, hahitana ny antony, fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko, nefa tsy hitako, dia izao: Nahita lehilahy iray tamin'ny arivo aho, nefa tsy nahita vehivavy iray tamin'izany isa izany ihany kosa.

28 Fa jereo ange, izao no hitako: Nataon'Andriamanitra mahitsy fo ny olona, fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086