Bokin'ny Mpitoriteny

Toko faha-9

1 Nasiako raharaha tokoa izao rehetra izao ary hitako tsara izao rehetra izao: Eo an-tànan'Andriamanitra ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany rehetra; tsy misy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana; eo anoloany avokoa ny zavatra rehetra.

2 Na inona na inona tsy misy avaka ny mahazo ny olombelona rehetra; sahala ny anjaran'ny marina sy ny ratsy, ny tsara sady madio sy ny tsy madio, ny manao sorona sy ny tsy manao sorona; izay manjo ny olona tsara fanahy ihany no manjo ny mpanota koa; izay mianiana tsy misy hafa amin'izay tsy sahy mianiana.

3 Zavatra ratsy anankiray amin'izay rehetra atao aty ambany masoandro dia ny itovian'ny olombelona rehetra anjara; ka noho izany dia feno hasomparana ny fon'ny zanak'olombelona. Ary ao am-pony mandritra ny andro iainany, ny hadalana. Nony afaka izany mankany amin'ny maty izy.

4 Fa raha anisan'ny velona, dia mbola misy fanantenana, aleo amboa velona, toy izay liona maty.

5 Fa ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona, ary tsy manan-tamby intsony izy fa hadino ny fahatsiarovana azy.

6 Levona sahady ny fitiavany, sy ny fankahalany amam-pialonany; ary tsy hanana anjara akory na oviana na oviana izy amin'izay atao aty ambany masoandro intsony.

7 Mandehana, hano an-kafaliana ny mofonao, ary sotroy am-piravoam-po ny divainao; fa efa asehon'Andriamanitra ny fankasitrahany ny asanao.

8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao; ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.

9 Miadàna amin'izao fiainana izao miaraka amin'ny vady tianao, mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao izay nomen'Andriamanitra anao aty ambany masoandro, dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao, fa izany no anjaranao amin'ity fiainana ity, sy amin'ny asa ataonao aty ambany masoandro.

10 Izay rehetra azon'ny tànanao atao, dia ataovy amin-kerim-po; fa tsy misy asa na fahalalana, na fahaizana, na fahendrena any amin'ny seoly izay halehanao.

11 Nihodina aho, ary hitako aty ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an'ny fainga-tongotra; na ny ady an'ny mahery fo; na ny hanina an'ny hendry; na ny harena an'ny mahalala na ny tombon-tsoa an'ny mahay; fa samy voan'ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra.

12 Fa na ny fotoany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan'ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak'olombelona dia voafadiditra amin'ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.

13 Izao koa no fahendrena hitako taty ambany masoandro, ka nataoko ho lehibe izy io.

14 Nisy tanàna kely anankiray vitsy mponina ao anatiny; nalehan'ny mpanjaka mahery, nataony fahirano, sy nananganany tilikambo avo hamelezana azy.

15 Fa nisy lehilahy mahantra sy hendry kosa tao, ka namonjy ny tanàna tamin'ny fahendreny. Ary tsy mba nisy nahatsiaro an-dralehilahy mahantra akory ny olona.

16 Ary hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; nefa hamavoin'ny olona ny fahendren'ny mahantra, ary tsy henoina akory ny teniny.

17 Ny tenin'ny hendry tononina amim-piadanana dia henoina tsara, mihoatra noho ny fitreron'ny mpanapaka eo afovoan'ny adala.

18 Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady; nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.045