Bokin'ny Mpitsara

Toko voalohany

1 Nony maty Josoe, dia nanontany an'ny Tompo ny zanak'Israely nanao hoe: Iza aminay no hananika voalohany ny Kananeana hiady aminy?

2 Hoy ny navalin'ny Tompo: Jodà no hananika; indro efa natolotro eo an-tànany ny tany. 3 Ary hoy Jodà tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiakatra miaraka amiko hianao ho any amin'ny tany azoko tamin'ny loka, dia hiady amin'ny Kananeana isika; dia handeha miaraka aminao koa aho any amin'ny tany azonao tamin'ny loka. Dia niaraka taminy Simeona. 4 Niakatra Jodà ary natolotry ny Tompo teo an-tànany ny Kananeana sy ny Ferezeana, lehilahy iray alina no resiny tao Bezeka. 5 Hitany tao Bezeka Adoni-Bezeka, ka nasiany, dia resiny ny Kananeana sy ny Ferezeana. 6 Nandositra Adoni-Bezeka fa nenjehin'izy ireo, koa nony azony, notapahiny ny ankiben-tànany aman-tongony. 7 Dia hoy Adoni-Bezeka: Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tànana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afototr'Andriamanitra amiko. Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany. 8 Namely an'i Jerosalema ny taranak'i Jodà dia afany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary nodorany tamin'ny afo ny tanàna.

9 Taorian'izany dia nidina ny taranak'i Jodà hiady amin'ny Kananeana monina amin'ny tendrombohitra, ny Negeba, ary ny Sefelà. 10 Dia nandroso Jodà namely ny Kananeana nonina tany Hebrona, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an'i Sesaia sy Ahimana ary Tolmaia. 11 Avy eo dia nandroso hiady tamin'ny mponina tao Dabira, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Sefera. 12 Ary hoy Kaleba: Homeko an'i Aksà zanako vavy ho vadiny, izay mamely ka mahafaka an'i Kariata-Sefera. 13 Dia Otoniela zanak'i Keneza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy, ka nomen'i Kaleba ho vadiny Aksà zanany vavy. 14 Nony nandeha tany amin'i Otoniela izy, dia namporisika azy hangataka saha amin-drainy. Niala tamin'ny ampondrany razazavavy, ka hoy Kaleba taminy: Maninona hianao? 15 Ary hoy ny navaliny azy: Omeo tombom-pitia aho, fa tany tsy misy rano no nametrahanao ahy, ka mba omeo loharano aho. Dia nomen'i Kaleba ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy. 16 Niara-niakatra tamin'ny taranak'i Jodà, avy any amin'ny tanànan-drofia, ny taranak'ilay Kineana zaodahin'i Moizy, nankany amin'ny efitr'i Jodà, atsimon'i Arada: ka tonga niara-nonina tamin'ny vahoaka izy.

17 Dia niainga nandeha indray Jodà, nomban'i Simeona rahalahiny, ka nandresy ny Kananeana nonina tany Sefaata; nataony anatema ny tanàna, ka Horma no niantsoana azy.

18 Afak'i Jodà koa Gaza mbamin'ny faritaniny, Askalona mbamin'ny faritaniny, Akorana mbamin'ny faritaniny. 19 Nomba an'i Jodà Iaveh ka lasany ny tendrombohitra; tsy voaroakany anefa ny mponina amin'ny tany lemaka; fa nanan-kalesy vy ireny. 20 Nomena an'i Kaleba Hebrona araka ny voalazan'i Moizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak'i Enàka telo lahy. 21 Tsy nandroaka ny Jeboseana nonina tao Jerosalema ny taranak'i Benjamina, ka niara-nonina tamin'ny zanak'i Benjamina tao Jerosalema mandrak'androany ny Jeboseana.

22 Niakatra namely an'i Betela koa ny fianakavian'i Josefa ary nomba azy ireo Iaveh.

23 Naniraka hisafo an'i Betela, tanàna nantsoina fahiny hoe Lozy, ny fianakavian'i Josefa. 24 Hitan'ny mpiambina ity lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna, ka hoy izy taminy: Atoroy anay izay azo idirana any an-tanàna fa hamindrànay fo hianao. 25 Dia natorony azy ireo izay ho azony hidirana any an-tanàna, ka nasian'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna, fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra no nalefany handeha. 26 Any amin'ny tanin'ny Heteana no nalehan-dralehilahy, dia nanorina tanàna izy, nomeny anarana hoe Lozy, mbola anarany mandrak'androany izany. 27 Manase tsy nandroaka ny mponina tao Betsàna sy ny tanàna momba azy, na ny tao Tanàka sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Dora sy ny tanàna momba azy, na ny mponina tao Jeblaamà sy ny tanàna momba azy, ka nahazo toky hipetraka amin'izany tany izany ny Kananeana.

28 Nony efa nihanahery Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeana, nefa tsy noroahiny izy ireo. 29 Efraima tsy nandroaka ny Kananeana nonina tao Gazera, ka nonina teo amin'i Efraima tao Gazera ny Kananeana.

30 Zabolona tsy nandroaka ny mponina tao Setrona, na ny mponina tao Naalola, ka nonina teo amin'i Zabolona ny Kananeana, fa nampandoaviny hetra.

31 Asera tsy nandroaka ny mponina tao Akao, na ny mponina tao Sidona, na ny tao Ahalaba, Akaziba, Helbà, Afeka, ary Bohoba,

32 ka nonina teo amin'ny Kananeana tompon-tany ny taranak'i Asera, satria tsy nandroaka azy. 33 Neftalì tsy nandroaka ny mponinta tao Beti-Samesy na ny mponina tao Beti-Anata, ka nonina teo amin'ny Kananeana tompon-tany izy, nefa nandoa hetra taminy ny mponina tao Beti-Samesy sy Beti-Anata.

34 Nasesiky ny Amoreana ho any amin'ny tendrombohitra ny taranak'i Dana, fa tsy avelany hidina ho amin'ny tany lemaka,

35 ary nahazo toky ny Amoreana hitoetra ao Har-Haresy sy Ajalona ary Salebima fa nanampatra ny herin'ny tànany tamin'izy ireo kosa ny fianakavian'i Josefa, ka nampandoaviny hetra izy ireo. 36 Ny faritanin'ny Amoreana, dia hatramin'ny fiakarana Akrabima sy Selà no ho miakatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0384