Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-10

1 Tolà zanak'i Foà, zanak'i Dodao, lehilahy amin'Isakara, no nitsangana hamonjy an'Israely, taorian'i Abimeleka. Tany Samira amin'ny tendrombohitr'i Efraima izy no nonina.

2 Telo amby roapolo taona no naha-mpitsara azy tamin'Israely, dia maty izy, ka nalevina tao Samira. 3 Nitsangana nanaraka azy Jaira any Galaada izay nitsara an'Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.

4 Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo, sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandra'androany hoe, Tranon'i Jaira, ary any amin'ny tany Galaada no nisy azy. 5 Maty Jaira ka nalevina tao Kamòna. 6 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ny zanak'Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr'i Siria, ny andriamanitr'i Sidona, ny andriamanitr'i Moaba, ny andriamanitry ny taranak'i Amona, ary ny andriamanitry ny Filistina, ary nandao an'ny Tompo sy tsy nanompo azy intsony.

7 Dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka namidiny ho eo an-tànan'ny Filistina izy, sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona. 8 Nampahorian'ireo sy notorotoroin'ireo tamin'izany ny zanak'Israely; ary nampahoriany valo ambin'ny folo taona ny zanak'Israely rehetra, izay nonina tany an-dafin i Jordany amin'ny tanin'ny Amoreana, any Galaada. 9 Ny taranak'i Amona nita an'i Jordany hamely an'i Jodà sy Benjamina mbamin'ny taranak'i Efraima ka dia tra-pahoriana mafy Israely. 10 Koa dia velon-taraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely, nanao hoe: Nanota taminao izahay, fa nahafoy ny Andriamanitray, ka nanompy ny Baala.

11 Ary hoy Iaveh tamin'ny zanak'Israely: Moa tsy efa nanafaka anareo va aho, tamin'ny Ejipsiana sy ny Amoreana ary ny taranak'i Amona, mbamin'ny Filistina? 12 Raha nampahorian'ny Sidoniana sy Amaleka ary Mahona koa hianareo, ka nitaraina tamiko, moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tànany va aho? 13 Nefa hianareo kosa dia nandao ahy ary nanompo andriamani-kafa, koa tsy hamonjy anareo intsony aho. 14 Fa mandehana mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo ami'ny andron'ny fahoriana. 15 Dia hoy ny zanak'Israely tamin'ny Tompo: Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin'ity andro ity. 16 Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an'ny Tompo izy ireo; ka ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian'Israely. 17 Nivory ny taranak'i Amona sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak'Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.

18 Dia nifampilaza ny vahoaka, ny lehiben'i Galaada, nanao hoe: Iza no lehilahy hanomboka ady voalohany amin'ny taranak'i Amona? Dia izy no ho filohan'ny mponina rehetra amin'i Galaada.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1905