Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-14

1 Ary nidina nankany Tamnà Samsona, ka nahita vehivavy anankiray tamin'ireo zanakavavin'ny Filistina tany Tamnà.

2 Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny nanao hoe: Nahita vehivavy anankiray tamin'ireo zanakavavin'ny Filistina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy. 3 Hoy ny ray aman-dreniny taminy: Nahoana kosa no dia any amin'izay Filistina tsy mifora hianao no haka vady; fa angaha dia tsy misy vehivavy amin'ny zana-kavanao, sy eto amin'izay rehetra iray firenena amintsika? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izay ihany alaina ho ahy, fa izay no sitrako. 4 Tsy nahalala rainy aman-dreniny fa avy amin'Andriamanitra izany, satria izy nitady antony hananganan'ny Filistina ady. Nanapaka an'Israely tamin'izany andro izany ny Filistina. 5 Dia nidina nankany Tamnà Samsona, niaraka tamin'ny ray aman-dreniny. Nony tonga teo amin'ny tanim-boalobok'i Tamnà izy, dia indry nisy vanton-diona nierona nandroso hifanehatra aminy.

6 Fa notsindrin'ny Fanahin'ny Tompo Samsona, ka nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany, ary tsy nambarany tamin-drainy aman-dreniny akory izany nataony izany. 7 Dia nidina izy, ka nireska tamin'ilay vehivavy ary tia azy. 8 Nony afaka kelikely niverina mba handray azy izy, ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona, ary indro nisy antokon-drenitantely sy tantely teo amin'ny vatan'ilay liona.

9 Naka tamin'io izy teo an-tànany, nohaniny teny an-dàlana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinanana; nefa tsy nolazainy tamin'ireo fa nalainy tamin'ny vatan'ilay liona ny tantely. 10 Nidina nankany amin'ilay vehivavy ny rain'i Samsona, ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.

11 Vao nahita azy ny olona dia nanasa olona telopolo lahy ho namany hiara-mitoetra aminy. 12 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao ankamantatra aminareo aho; ka raha lazainareo amiko, ao anatin'ny hafitoana fanasana, ny heviny, ka fantatrareo, dia homeko lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana hianareo. 13 Fa raha tsy mahalaza ny heviny amiko kosa hianareo, dia hianareo no hanome ahy ny akanjo lobaka telopolo sy akanjo telopolo atao fanovana. 14 Dia hoy ireo taminy: Ataovy ary izay ankamantatra, ho henonay, ka hoy izy: Izay mihinana no ivoahan'ny fihinana; Ary ny mahery no ivoahan'ny mamy. Hateloana izy ireo tsy nahalaza ny hevitry ny ankamantatra. 15 Ka nony tamin'ny andro fahafito dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza aminay ny hevitry ny ankamantatra, fa raha tsy izany, hodoranay avokoa hianao sy ny ankohonan-drainao. Sa ny hataonareo mafafa no nanasanareo anay?

16 Dia nitomany teo anilan'i Samsona ny vavy, ka nanao taminy hoe: Halanao mihitsy aho fa tsy tianao akory; nanao ankamantatra tamin'ny zanaky ny fireneko hianao, nefa tsy mba nolazainao tamiko ny hevitr'izany. Fa hoy ny navaliny azy: Ikaky sy ineny aza tsy nilazako izany, ka hianao indray ve no hialazako? 17 Nandritra ny hafitoana nisian'ny fanasana dia nitomany teo anatrehany ihany izy, ka tamin'ny andro fahafito nony nanahirana azy mafy loatra izy dia nolazainy ny hevitry ny ankamantatra, dia nolazain'io tamin'iretsy zanaky ny fireneny kosa. 18 Tamin'ny andro fahafito raha mbola tsy maty ny masoandro dia hoy ny lehilahy tao an-tanana tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy kosa izy tamin'izy ireo: Raha tsy ny ombivavy keliko no nentinareo niasa dia tsy nahalala ny ankamantatro hianareo. 19 Dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo izy ka nidina nankany Askalona. Ary namomo olona telopolo lahy tao izy, dia naka babo avy aminy. Ka ny fitafiana atao fanovany nomeny an'izay nahalala ny ankamantatra. Rahefa izany niakatra nakany an-tranon-drainy izy, fa nirehitra ny fahatezeran'i Samsona.

20 Ary ny vadiny lasan'ny anankiray amin'ireo namany izay nofidiny ho sakaizany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0467