Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-18

1 Tsy nisy mpanjaka teo amin'Israely tamin'izany andro izany; ary nitady zara tany honenany ny fokon'ny Danita, tamin'izany andro izany, fa tsy mbola nahazo anjara lova hatramin'izany andro izany izy eo afovoan'ny fokon'Israely.

2 Nalain'ny zanak'i Dana tao amin'izy rehetra ireo ny dimy lahy, lehilahy mahery iray fianakaviana aminy, ka nalefany avy any Saraà sy Estaola hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany. Ka hoy izy tamin'izy ireo: Mandehana zahao ny toetry ny tany. Dia tonga tany amin'ny tendrombohitr'i Efraima izy sy tao amin'ny tranon'i Mikasy, ka nandry tao. 3 Nony mby teo akaikin'ny tranon'i Mikasy izy ireo, dia nanatona izy ka nanao tamin'io hoe: Iza no nitondra anao nankaty? Maninona aty hianao? Manana inona aty hianao? 4 Dia hoy ny navaliny azy: Izao sy izao no nataon'i Mikasy tamiko; izy manamby ahy ary izaho manao mpisorona ho azy. 5 Ary hoy ireo taminy: Raha izany àry anontanio kely Andriamanitra mba hahalalanay raha ho tsara ny dianay. 6 Dia hoy ity mpisorona namaly azy: Mandehana amim-piadanana, fa tsinjovin'ny mason'ny Tompo izao dia ataonareo izao. 7 Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan'izy ireo ny mponina tao amin'izany tanàna izany fa nonina tsy amin'ahiahy, manaraka ny fomban'ny Sidoniana, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin'ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin'inona na tamin'inona; lavitra ny Sidoniana izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin'iza na tamin'iza.

8 Niverina tany amin'ny rahalahiny any Saraà sy Estaola izy ireo, dia hoy ireto rahalahiny taminy: Ahoana, hoy hianareo? 9 Ka hoy ny navaliny: Mitsangàna, miakara isika hamely an'ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana hianareo? Aza milasilasy amin'ny fandehanana haka izany tany izany. 10 Rahefa tonga any dia hiditra ao amin'ny vahoaka mandry tsy amin'ahiahy hianareo. Malalaka ny tany, ary efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànanareo, ary ao amin'izany toerana izany dia hita izay rehetra mety hisy eto ambonin'ny tany. 11 Dia nisy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an'ady avokoa, no niainga avy any Saraà sy Estaola, avy amin'ny fokon'i Dana.

12 Niakatra ireo, dia nitoby tao Kariatiarima any Jodà, izany no niantsoana io tany io mandraka androany hoe: Makane-Dana, ka ao andrefan'i Kariatiarima no misy azy. 13 Avy teo izy dia nandroso nankany amin'ny tendrombohitr'i Efraima ka tonga tao an-tranon'i Mikasy. 14 Tamin'izay izy dimy lahy izay efa nandeha nisafo ny tanin'i Laïsa teo, dia niteny tamin'ireo rahalahiny, ka nanao hoe: Fantatrareo va fa misy efoda sy tarafima ary sarin-javatra voasokitra aman-javatra anidina, amin'ireto trano ireto? Koa hevero izao izay tokony hataonareo. 15 Dia nivily nankeo izy, ka niditra tao amin'ny tranon'ilay tovolahy Levita, dia ny tranon'i Mikasy, sy nanao akory azy; 16 fa izy enin-jato lahy, samy vonom-piadiana fanao an'ady avy amin'ny fokon í Dana, nijanona teo anoloan'ny vavahady. 17 Raha mbola nijanona teo anoloan'ny vavahady ilay mpisorona mbamin'ireo enin-jato lahy vonom-piadiana, izy dimy lahy nisafo ny tany kosa niakatra dia niditra tao an-trano fivavahana, naka ny sarin-javatra voasokitra, ny efoda, ny terafima ary ny zavatra anidina. 18 Nony tafiditra tao an-tranon'i Mikasy izy ireo, ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda ary ny terafima mbamin'ny zavatra anidina, dia hoy ilay mpisorona taminy: Inona izato ataonareo? 19 Ka hoy ny navaliny azy: Mangìna hianao, tampeno amin'ny tànanao ny vavanao, ary andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay hianao: Aleonao va mpisoron'ny ankohonan'ny olona iray ihany toy izay mpisoron'ny foko iray sy fianakaviana iray amin'Israely? 20 Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima mbamin'ny sarin-javatra voasokitra ary nandroso ho eo afovoan'ny miaramila izy. 21 Dia niainga izy ireo, ka lasa; nataony teo alohany ny zaza sy ny biby fiompy mbamin'ny entany sarobidy rehetra.

22 Efa lasa lavitra ny tranon'i Mikasy izy ireo, vao indreto ny olona mitoetra ao amin'ny trano mifanolo-body rindrina amin'i Mikasy nivory nanenjika ireto taranak'i Dana. 23 Nantsoantsoin'izy ireo avy aty aoriana ny taranak'i Dana, ka niherika sy nanao tamin'i Mikasy hoe: Inona no ilainao no nanangona olona toy izao hianao? 24 Dia hoy izy namaly: Ny andriamanitro izay nataoko nongoahanareo mbamin'ny mpisorona, dia lasa hianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao? 25 Fa hoy ny taranak'i Dana taminy: Aza ampandrenesina anay intsony ny feonao sao hiantoraka aminareo ny olona tezitra ka hahafaty ny ainao sy ny ain'ny ankohonanao. 26 Dia nanohy ny diany ny zanak'i Dana. Hitan'i Mikasy fa mahery noho izy ry zareo, ka dia niverina nody any an-tranony izy. 27 Toy izany no nangalan'izy ireo izay nataon'i Mikasy mbamin'ny mpisorona niasa ho azy, dia nandroso namely ny tao Laïsa, izay vahoaka nandry fahizay sy tsy nanana ahiahy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary ny tanàna nodorany.

28 Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an'i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin'ny olon-kafa; tao amin'ny lohasaha mandroso mankany Beti-Rohoba no nisy azy. Naorin'ny taranak'i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy, 29 ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana, rainy, izay naterak'Israely; fa Laïsa kosa no anaran'ny tanàna taloha. 30 Natsangan'ny taranak'i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatàna, zanak'i Gersama zanak'i Moizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron'ny fokon'i Dana, mandra-pahatongan'ny andro namaboana ny tany.

31 Ilay sary voasokitra nataon'i Mikasy no natsangan'izy ireo ho azy, nandritra ny fotoana rehetra nisian'ny tranon'Andriamanitra tao Silao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0502