Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-19

1 Tamin'izany andro izany raha mbola tsy nisy mpanjaka teo amin'Israely, ny Levita anankiray nitoetoetra tany an-tsisin'ny tendrombohitr'i Efraima dia naka ho vady ny vehivavy anankiray avy any Beleema any Jodà.

2 Nivadihan'ity vady tsindranony izy, sady nilaozany nankany an-tranon-drainy any Betleema, any Jodà, izay nitoerany efa-bolana. 3 Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin'ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana. 4 Notazonin'ity rafozany rain-drazazavavy izy, ka nitoetra tao aminy hateloana ary nihinana sy nisotro izy ireo, ka nijanonjanona tao. 5 Nony tamin'ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ity vinantony: Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha hianareo.

6 Dia nipetraka izy, ka niara-nihinana sy nisotro izy roa lahy. Ary hoy ny rain-drazazavavy tamin'ity vadin-janany: Mihanta aminao re aho, mba ekeo ny handry anio alina; ary aoka hifaly ny fonao. 7 Efa nitsangan-kandeha ralehilahy fa noho ny fitambezoan'ny rafozany dia niverina izy ka tafandry teo iny alina iny. 8 Nony tamin'ny andro fahadimy dia nifoha maraina koa izy handeha, fa hoy ny rain-drazazavavy taminy: Mihanta aminao re aho, mba hatanjaho ny fonao ka andraso mandra-pahatolaky ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy.

9 Efa nitsangana handeha ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompony, fa hoy kosa ny rafozany rain-drazazavavy taminy: Indro efa ho hariva ny andro, koa mihanta aminao aho, mba handry indray anio alina! fa efa mandrorona ny andro, ka mandria re eto, ary aoka hifaly ny fonao: fa rahampitso hifoha maraina koa hianareo mba hiainga ka handeha ho any an-dainao. 10 Tsy nety handry intsony anefa ralehilahy fa nitsangana izy, ka dia lasa. Tonga hatrany an-tandrifin'i Jebosy izy, dia Jerosalema izany, ary niaraka taminy ny ampondr roa samy voaisy lasely sy ny vady tsindranony. 11 Efa hariva ny andro no tonga tao akaikin'i Jebosy izy ireo; ka hoy ilay mpanompony tamin'ity tompolahiny: Raha sitrakao, andeha isika hivily ho amin'ity tanànan'ny Jeboseana ity, dia handry eo.

12 Fa hoy ny tompony namaly azy: Tsy hivily amin'izay tanànan'olon-kafa firenena tsy misy zanak'Israely isika, fa handroso ihany ho any Gabaà. 13 Dia hoy koa izy tamin'ny mpanompony: Andeha ataovy izay hahatrarantsika ny iray amin'ireto tanàna ireto, dia Gabaà na Ramà; any isika no handry. 14 Koa notohizany ny diany, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin'i Gabaà, izay an'i Benjamina izy. 15 Ka dia nivily ho any izy, mba handry ao Gabaa. Nony tafiditra ity Levita, dia nijanona teo amin'ny kianjan'ny tanana, ary tsy nisy olona nampiantrano azy handry any aminy. 16 Kanojo kosa, inty nisy antidahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin'io fitoerana io dia Benjamita. 17 Nanopy ny masony izy, ka nahita ilay mpivahiny teo an-kianjan'ny tanàna; ka hoy ny antidahy taminy nanao hoe: Ho aiza hianao ary avy aiza? 18 Ary hoy ny navaliny azy: Avy tany Betleema any Jodà izahay, ka ho any amin'ny sisin'ny tendrombohitr'i Efraima izay tany nihaviako. Tany Betleema any Jodà aho, ary ho any an-tranon'ny Tompo, nefa tsy mba misy olona mampiantrano ahy akory. 19 Anananay anefa ny mololo amam-bilona ho an'ny ampondranay, ny mofo aman-divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ny zatovo miaraka amin'ny mpanomponao, fa tsy mila na inona na inona izahay. 20 Dia hoy ilay antidahy: Ho aminao anie ny fiadanana; ary hovononiko avokoa izay ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja. 21 Koa nampidiriny an-trano izy ireo ary nomeny vilona ny ampondra; nanasa tongotra izy ireo dia nihinana sy nisotro. 22 Dieny mbola nifaly teo ny fon'izy ireo dia indreo nisy lehilahy tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, nanodidina ny trano, nandondòna mafy ny varavarana, sady nilaza tamin'ilay antidahy tompon-trano nanao hoe: Asaovy mivoaka ilay lehilahy niditra ato aminao, mba hahalalanay azy.

23 Fa nivoaka ny tompon-trano nankeo amin'izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka, ry rahalahiko, mihanta aminareo aho, aza dia manao ratsy re; rahefa tafiditra ny tranoko io lehilahy io dia aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany. 24 Indro ny zanako vavy mbola virjiny sy ny vady tsindranon-dralehilahy; hoentiko mivoaka ireo, dia anaovy an-keriny, sy ataovy aminy araka izay sitrakareo, fa aza manao izany zavatra mahafa-baraka izany amin'io lehilahy io. 25 Tsy nety nihaino azy akory anefa ireo lehilahy ireo. Tamin'izay dia nalain-dralehilahy ny vady tsindranony, nentiny nivoaka tany amin'izy ireo. Nahalala azy izy ireo sy nanao an-keriny taminy mandritra ny alina, mandra-pahamarain'ny andro; ary nony efa hiposaka ny masoandro vao nalefany handeha izy. 26 Nony efa haraina ny andro dia tonga ravehivavy ka lavo teo am-baravaran'ny tranon'ilay lehilahy nisy ny vadiny, ka teo izy mandra-pahazavan'ny andro. 27 Nony maraina dia nifoha ny lahy, dia namoha ny varavarana ary nivoaka ndeha hanohy ny diany. Ary inty ravehivavy, ny vady tsindranony, nivalandòtra teo am-baravaran'ny trano, ary teo amin'ny tokonana ny tànany.

28 Hoy izy taminy: miarena dia ndeha isika handeha. Ary tsy nisy namaly; koa dia nataon'ny lahy teo ambonin'ny ampondrany izy, dia lasa izy nody ho any amin'ny fonenany. 29 Nony tonga tany aminy izy, noraisiny ny antsy, dia nalainy ity vady tsindranony, ka norasainy isam-pamavanin-taolana ho roa ambin'ny folo toko, sy nampitondrainy eran'ny tanin'Israely rehetra.

30 Dia hoy izay nahita rehetra: Ny zavatra toy izany dia tsy mbola tonga na hita na oviana na oviana hatrizay niakaran'ny zanak'Israely avy any amin'ny tany Ejipta ka mandrak'androany. Koa diniho izany, mifampilà hevitra, dia tapaho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145