Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-2

1 Ary niakatra avy any Galgalà ny anjelin'ny Tompo nankany Bokima, ka nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta aho; dia nampiditra anareo amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena anareo. Hoy aho hoe: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mandrakizay aho,

2 ary hianareo kosa tsy hanao fanekena amin'ny mponina amin'ity tany ity fa handrava ny oteliny. Kanjo tsy nihaino ny feoko hianareo. Ka ahoana no nanaovanareo izany? 3 Ary izaho koa nilaza nanao hoe: Tsy horoahiko eo anoloanareo ireny ka ho eo anilanareo izy ary ny andriamaniny ho fandrika ho anareo. 4 Mbola nilaza izany teny izany tamin'ny zanak'Israely ilay anjelin'ny Tompo dia efa nanandra-peo nitomany ny vahoaka. 5 Ka nomeny anarana hoe Bokima izany fitoerana izany, ary nanolotra sorona ho an'ny Tompo teo izy ireo. 6 Rahefa nampodin'i Josoe ny vahoaka, dia samy nankany amin'ny lovany avy ny zanak'Israely mba haka ny tany.

7 Nanompo an'ny Tompo ny vahoaka, tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoe, sy tamin'ny andro rehetra niainan'ireo loholona velona taoriany, izay nahita ny asa lehibe rehetra nataon'ny Tompo ho an'Israely. 8 Maty tamin'ny fahafolo amby zaton'ny taonany Josoe, zank'i Nona, mpanompon'ny Tompo. 9 Nalevina tao amin'ny faritany zara taniny izy, dia ao Tamnata-Heresy amin'ny tendrombohitr'i Efraima avaratry ny tendrombohitra Gaasa. 10 Ary voaangona any amin'ny razany koa izany taranaka izany; ka taranaka hafa, tsy nahalala an'ny Tompo na ny asa nataony ho an'Israely, no nitsangana nandimby azy. 11 Nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ny zanak'Israely, fa nanompo ireo Baala.

12 Nafoiny Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin'ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra an'ny Tompo izy ireo. 13 Fa Iaveh nilaozany, ary Baala sy ny Astarte notompoiny. 14 Dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka natolony ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.

15 Izay nalehany namelezan'ny tànan'ny Tompo hampahory azy avokoa, araka ny efa voalazan'ny Tompo, araka ny nianianan'ny Tompo taminy rahateo, ka dia azon'ny fahoriana mafy izy. 16 Nanangana mpitsara ihany Iaveh hanafaka azy ireo tamin'izay nandroba azy; 17 nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-tena tamin'ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan'ireny. Nalaky nivily izy tamin'ny làlana nomban'ny razany, izay nitandrina ny didin'ny Tompo; tsy nanao tahaka izany izy. 18 Nony nanangana mpitsara ho azy ireo Iaveh, dia nomban'ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin'ny tànan'ny fahavalony, tamin'ny andro rehetra iainan'ny mpitsara; satria nalahelo Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan'ireo nampahory sy nampijaly azy.

19 Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin'ny hadisoany amam-pikiribibiany. 20 Tamin'izany dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'ny Tompo ka hoy izy: Noho ity firenena ity nivadika tamin'ny fanekena nandidiako ny razany ary noho izy ireo tsy nihaino ny feoko, 21 dia tsy hisy horoahiko eo anoloany ireo firenena navelan'i Josoe tamin'ny nahafatesany, na dia iray aza; 22 ireo no hizahako toetra an'Israely, na hazoto hanaraka ny làlan'ny Tompo izy, toy ny nahazoto ny razany, na tsia. 23 Dia navelan'ny Tompo handry fahizay ireo firenena tsy mbola natolony teo an-tànan'i Josoe ireo, fa tsy nalaky noroahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1026