Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-20

1 Dia nivoaka ny zanak'Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan'ny Tompo tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.

2 Ary ny filohan'ny vahoaka rehetra, ny fokon'Israely rehetra, niseho teo amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha an-tongotra mahatan-tsabatra. 3 Nandre ny taranak'i Benjamina fa hoe niakatra any Masfà ny zanak'Israely. Ary hoy ny zanak'Israely: Mitenena, nanao ahoana no nanaovana izao heloka izao? 4 Dia ilay Levita vadin-dravehivavy novonoina no niteny ka nanao hoe: Niditra handry tany Gabaà, any Benjamina, izaho sy ny vady tsindranoko. 5 Ary nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gabaà; ny trano nisy ahy nohodidininy mandritra ny alina; ny tenako nokendreny hovonoina, ny vady tsindranoko nanaovany an-keriny, ka maty. 6 Dia nalaiko ny vady tsindranoko ka norasaiko sy nampitondraiko eran'ny tany rehetra lovan'Israely; fa heloka sy zavatra mahafa-baraka loatra amin'Israely no nataon'izy ireo 7 Koa indreo ao hianareo zanak'Israely rehetra, mifampilà saina hianareo, ary tapaho eto ihany izay hevitra. 8 Indray nitsangana, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hiverina any an-daintsika akory isika na hody any an-tranontsika. 9 Izao kosa ankehitriny no hataontsika amin'i Gabaà: Araka ny filokana no hamelezana azy. 10 Ny fokon'Israely rehetra dia hangalantsika lehilahy folo isan-jato, zato isan'arivo, arivo isan'alina, handeha haka vatsy ho an'ny vahoaka, ka rahefa tonga izy, dia araka ny zavatra mahafa-baraka indrindra nataony tamin'Israely no hatao amin'i Gabaàn'i Benjamina koa. 11 Toy izany no nivorian'ny lehilahy rehetra amin'Israely, tafakambana toy ny olona iray ihany, hamely ny tanàna. 12 Naniraka ho any amin'ny fianakavian'i Benjamina rehetra ny fokon'Israely hilaza hoe: Ahoana izany heloka natao tany aminareo izany?

13 Koa ankehitriny, atolory anay ireo olona ratsy fanahy ao Gabaà, ireo, hamonoanay azy sy hanesoranay ny ratsy eo afovoan'Israely. Tsy nety nihaino ny feon'ny zanak'Israely rahalahiny anefa ny Benjamita. 14 Koa nivoaka ny tanànany ny taranak'i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin'ny zanak'Israely.

15 Nisaina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina nivoaka ny tanàna ka enina arivo sy roa alina, samy mahatan-tsabatra, no isany, afa-tsy ny mponina tao Gabaà, fiton-jato lahy voafantina. 16 Nisy fiton-jato lahy voafantina tamin'ireo vahoaka rehetra ireo tsy mampiasa ny tànany havanana; ireo mpiady ireo samy mahay mitoraka singam-bolo amin'ny vaton'antsamotady, ka mahavoa azy. 17 Ny isan'ny lehilahy amin'Israely afa-tsy ny Benjamita, dia efatra hetsy, samy mahatan-tsabatra sy mpanafika avokoa. 18 Dia niainga ny zanak'Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an'Andriamanitra hoe: Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina? Hoy ny navalin'ny Tompo: Jodà no hiakatra voalohany. 19 Dia niainga maraina ny zanak'Israely, ka nitoby tandrifin'i Gabaà. 20 Nandroso ny lehilahy amin'Israely hiady amin'ny an'i Benjamina ary nilahatra ny lehilahy amin'Israely hamely azy teo anoloan'i Gabaà.

21 Fa nivoaka avy ao Gabaà ny taranak'i Benjamina tamin'izay, ary lehilahy roa arivo sy roa alina tamin'Israely no nataony maty niampatra tamin'ny tany androtr'io ihany. 22 Nohamafisin'ny vahoaka dia ny lehilahy amin'Israely anefa ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin'ny fitoerana nialaharany tamin'ny andro voalohany indray izy.

23 Dia niakatra nitomany teo anatrehan'ny Tompo mandra-paharivan'ny andro ny zanak'Israely; sady nanontany an'ny Tompo nanao hoe: Mbola handeha hiady amin'ny taranak'i Benjamina, rahalahiko, ihany indray va aho? Ka hoy ny navalin'ny Tompo: Miakara hamely azy. 24 Dia nanatona ny taranak'i Benjamina indray ny zanak'Israely tamin'ny andro faharoa. 25 Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak'i Benjamina tamin'io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin'ny zanak'Israely no nataony maty niampatra tamin'ny tany indray. 26 Niakatra nankany Betela ny zanak'Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan'ny Tompo, nifady hanina mandra-paharivan'ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan'ny Tompo,

27 ary nanontany an'ny Tompo ny zanak'Isrealy, fa teo ny fiaran'Andriamanitra tamin'izany andro izany; 28 ary teo anoloany Finea zanak'i Eleazara zanak'i Aarona, tamin'izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: Mbola handeha hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra? Dia hoy Iaveh: Miakara fa hatolotro eo an-tànanao izy rahampitso. 29 Tamin'izay nasian'Israely otrika manodidina an'i Gabaà;

30 ary niakatra hamely ny taranak'i Benjamina ny zanak'Israely tamin'ny andro fahatelo, ka nilahatra hiady teo anoloan'i Gabaà, toy ny taloha ihany. 31 Dia nivoaka hamely ny vahoaka ny taranak'i Benjamina, ka nety ho voatarika hanalavitra ny tanàna. Rafitra namely sy namono tamin'ny vahoaka toy ny teo aloha izy, eo amin'ireo làlana any an-tsaha, izay miakatra any Betela ny iray, ary miakatra any Gabaà ny iray; dia nahafatesany sahabo ho telopolo lahy amin'Israely. 32 Hoy ny taranak'i Benjamina: Indro fa resy eo anoloantsika toy ny taloha ihany izy ireo. Fa hoy kosa ny zanak'Israely: Ndeha handositra ka ataovy tari-dositra hanalavitra ny tanàna amin'ireo làlalan ireo. 33 Dia niala tamin'izay nitoerany àry ny lehilahy amin'Israely rehetra, ka nilahatra tany Baala-Tamara; ny olon'Israely nanotrika kosa dia niantoraka avy amin'ny fitoerana nisy azy, tao amin'ny tany lemak'i Gabaà, 34 ka lehilahy iray alina voafantina tamin'Israely rehetra, no tamy avy teo anoloan'i Gabaà. Mafy ny ady, ary tsy nampoizin'ny taranak'i Benjamina fa efa mananontanona azy ny loza. 35 Nasian'ny Tompo teo anoloan'Israely Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin'ny zanak'Israely tamin'i Benjamina androtr'io. 36 Koa hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; fa ny lehilahy amin'Israely no nihemotra teo anatrehan'i Benjamina dia noho ny fitokiany ny otrika napetrany hamely an'i Gabaà.

37 Fa niroatra faingana nankany Gabaà ireo olona natao otrika ireo, rahefa izany dia nandroso ny lehilahy natao otrika namely ny tanàna manontolo tamin'ny lelan-tsabatra. 38 Ary nisy famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'Israely tamin'ireo nanao otrika, dia ny hananganan'ireo setroka nijofo avy ao an-tanàna, 39 ka nifontina tamin'ny ady ny lehilahy amin'Israely. Ny Benjamita efa nahafaty sahabo ho telopolo lahy tamin'izy ireo, ka dia hoy izy: Resy marina tokoa eo anatrehantsika izy toy ny tamin'ny ady voalohany mihitsy. 40 Kanjo efa niantomboka nidonaka ny setroka niakatra avy ao an-tanàna sahala amin'ny rahona, dia niherika ny Benjamita ka nahita ity tanàna manontolo nidoak'afo nanakatra ny lanitra. 41 Ny lehilahy amin'Israely nifontina taminy, ary ny lehilahy amin'i Benjamina nivadi-pò tery nahita fa ianjeran'ny loza izy, 42 ka niamboho teo anoloan'ny lehilahy ami'Israely izy ireo, nihazo ny làlana mankany an'efitra; nefa nenjehin'ny mpiady mafy izy; ary ny tao an-tanàna novonoiny samy eo amin'ny fitoerana nisy azy avy. 43 Notemerany sy nenjehiny Benjamina dia novonoiny teo amin'izay niatoany hatrany an-tandrifin'i Gabaà any amin'ny fiposahan'ny masoandro. 44 Valo arivo sy iray alin-dahy, samy lehilahy mahery avokoa amin'i Benjamina no maty. 45 Izay niamboho dia nandositra nankany an'efitra any akaikin'ny haram-baton'i Remona. Dimy arivo lahy no matin'ny zanak'Israely teny an-dàlana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeona ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa. 46 Dimy arivo sy roa alin-dahy mahatan-tsabatra no tontalin'ny Benjamita maty tamin'izany andro izany, samy lehilahy mahery avokoa. 47 Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an'efitra, any amin'ny haram-baton'i Remona dia nitoetra tao amin'ny haram-baton'i Remona efa-bolana.

48 Dia niverina tany amin'ny taranak'i Benjamina indray ny lehilahy amin'Israely, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra avokoa hatramin'ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin'izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin'ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0824