Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-4

1 Nony maty Aoda, dia mbola nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo indray ny zanak'Israely;

2 ka namidin'ny Tompo teo an-tànan'i Jabìna mpanjakan'i Kanaana, izay nanjaka tao Asora. Sisarà no lehiben'ny foloalindahy, ary tao Haroseta-Goïma izy no nitoetra. 3 Nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely fa nanan-kalesy vy sivin-jato Jabìna, ary nampahory mafy ny zanak'Israely hatramin'ny roapolo taona. 4 Tamin'izany andro izany dia Deborà vehivavy mpaminany, vadin'i Lapidota no nitsara ny zanak'Israely.

5 Teo ambanin'ny rofian'i Deborà, anelanelan'i Ramà sy Betela, amin'ny tendrombohitr'i Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak'Israely nanatona azy hotsaraina. 6 Naniraka olona hiantso an'i Baràka, zanak'i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: Tsy izao va no didy nomen'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabora hianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin'ny taranak'i Neftalì sy amin'ny taranak'i Zabolona hiaraka aminao, 7 fa hoentiko ho ao aminao ao amin'ny ranon-driaka Sisaona Sisarà, lehiben'ny foloalindahin'i Jabìna, mbamin'ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tànanao. 8 Hoy Baràka taminy: Raha handeha miaraka amiko hianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko hianao, dia tsy handeha aho. 9 Ka hoy ny navaliny: Eny àry, handeha hiaraka aminao aho; fa tsy ho anao ny voninahitra amin'izao fanafihana halehanao izao, satria ho eo an-tànam-behivavy no hanoloran'ny Tompo an'i Sisarà. Dia niainga Deborà, ka lasa niaraka tamin'i Baràka nankany Kedesy. 10 Nantsoin'i Baràka ho any Kedesy Zabolona sy Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary Deborà nandeha niaraka taminy. 11 Hebera ilay Kineana, dia nisaraka tamin'ny Kineana tarakan'i Hobaba, zaodahin'i Moizy ka nilasy hatrany amin'ny aoka any Senima, akaikin'i Kedesy. 12 Nilazana Sisarà, fa niainga Baràka zanak'i Abinoema nankany amin'ny tendrombohitra Tabora,

13 ka nasainy nentina avy tany Haroseta-Goïma avokoa ny kalesiny vy sivin-jato mbamin'ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin'ny ranon-driaka Sisaona. 14 Tamin'izay dia hoy Deborà tamin'i Baràka: Mitsangàna, fa anio no andro nanoloran'ny Tompo an'i Sisarà ho eo an-tànanao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va Iaveh? Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabora, Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy. 15 Ary Sisarà mbamin'ny kalesiny rehetra sy ny tafiny rehetra dia nampifanaritahan'ny Tompo tamin'ny lelan-tsabatra teo anoloan'i Baràka, ka nidina niala tamin'ny kalesiny Sisarà, dia nandeha an-tongotra nandositra. 16 Nenjehin'i Baràka hatrany Haroseta-Goïma, ny kalesin'ny tafika ka lavony tamin'ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik'i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza. 17 Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin'ny lain'i Jahela vadin'i Hebera Kineana; fa nihavana Jabìna mpanjakan'i Asora sy ny fianakavian'i Hebera Kineana.

18 Nivoaka Jahela hitsena an'i Sisarà ka nanao taminy hoe: Mandrosoa, tompoko, mandrosoa aty amiko fa aza matahotra. Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana. 19 Ary hoy izy taminy: Raha sitrakao mba omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta. Dia nosokafany ny siny hoditra fasian-dronono ka nomeny azy hisotroany dia norakofany izy. 20 Hoy ralehilahy taminy: Mitoera eo am-baravaran'ny lahy hianao, ka raha misy olona tonga manontany anao manao hoe: Misy lehilahy va ato? dia valio hoe: Tsia. 21 Fa nalain'i Jahela vadi'i Hebera kosa ny tsima-day, nataony an-tànana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka amin'ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon'ny hasasarana mafy; dia maty izy. 22 Ary indro kosa fa nanenjika an'i Sisarà Baràka ka nivoaka hitsena azy Jahela, ka nanao taminy hoe: Avia, fa hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao aminy izy, ka hitany maty niampatra teo Sisarà, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany. 23 Tamin'izany andro izany no nanetren'Andriamanitra an'i Jabìna mpanjakan'i Kanaana, teo anoloan'ny zanak'Israely.

24 Ary nihanahery nanampatra ny tànany tamin'i Jabìna, mpanjakan'i Kanaana, ny zanak'Israely, mandra-pandevony an'i Jabìna mpanjakan'ny Kanaana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1241