Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-6

1 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny Tompo ny zanak'Israely, ka natolotry ny Tompo ho eo an-tànan'i Madiana, fito taona.

2 Nahery tamin'Israely ny tànan'i Madiana. Noho ny amin'i Madiana no nanaovan'ny zanak'Israely ireo zohy any an-tendrombohitra, mbamin'ireo lava-bato sy ny havoana mimanda. 3 Rahefa namafy voa Israely, dia niakatra Madiana mbamin'i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana ka nanafika azy. 4 Nitoby tandrifin'Israely izy ireo, dia nandrava ny vokatry ny tany, hatrany akaikin'i Gazà; nataony mafafa mihitsy ny fiveloman'Israely, na ondry, na ampondra, 5 fa niakatra izy ireo miaraka amin'ny biby fiompiny sy ny lainy, ka nihahohaho toy ny valala ny fihaviny ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; tonga amin'ny tany izy, mba handrava azy. 6 Reraka loatra Israely noho ny amin'i Madiana, ka nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely. 7 Nony nitaraina tamin'ny Tompo ny zanak'Israely, noho ny amin'i Madiana,

8 dia naniraka mpaminany anankiray tamin'ny zanak'Israely Iaveh. Hoy izy taminy hoe: Izao no tenin'ny Tompo Andriamanitr'Israely. Nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta aho; ary namoaka anareo tamin'ny trano fanandevozana. 9 Nanafaka anareo tamin'ny tànan'izay rehetra nampahory anareo; noroahiko teo anaoloanareo ireny dia nomeko anareo ny taniny. 10 Hoy aho taminareo: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amoreana, izay onenanareo ny taniny. Kanjo tsy nihaino ny feoko hianareo. 11 Ary tonga ny anjelin'ny Tompo ka nipetraka teo ambanin'ny terebinta tao Efrà, izay an'i Joasy, fianakavian'i Abiesera. Nively vary teo amin'ny fitoerana famiazam-boaloboka Jedeona zanany tamin'izay, mba hapetrany amin'izay tsy hahitan'i Madiana azy.

12 Niseho taminy ny anjelin'ny Tompo ka nanao taminy hoe: Momba anao Iaveh, ry lehilahy mahery. Fa hoy Jedeona taminy: 13 Indrisy Tompoko, raha momba anay Iaveh, ahoana no dia ianjeran'izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain'ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va Iaveh? Fa efa nafoin'ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tànan'i Madiana. 14 Dia nitodika azy Iaveh ka nanao hoe: Mandehana amin'izao hery anananao izao, ka afaho amin'ny tànan'i Madiana Israely; tsy efa nirahiko va hianao? 15 Ary hoy Jedeona taminy: Indrisy, Tompo ô! Amin'ny inona no hanafahako an'Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin'i Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'i dada. 16 Fa Iaveh nanao taminy hoe: Homba anao aho, ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiana. 17 Hoy Jedeona taminy: Raha nahita fitia teo imasonao aho, mba omeo famantarana fa hianao no miteny amiko. 18 Aza dia miala eto hianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao. Dia hoy Iaveh: hiandry mandra-piverinao aho. 19 Nony niditra Jedeona dia namboatra zanak'osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin'ny lafarina iray efah, ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin'izay teo ambanin'ny terebinta ka natolony.

20 Hoy ny anjelin'ny Tompo taminy: Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity, sy rotsahy ny ro. Dia nataony izany. 21 Ary naroson'ny anjelin'ny Tompo ny lohan'ny tehina teny an-tànany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin'izany tamin'ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan'ny masony ny anjelin'ny Tompo. 22 Dia fantatr'i Jedeona fa anjelin'ny Tompo iny ka hoy Jedeona: Maty aho, ry Iaveh Tompo ô, fa nahita nifanatri-tava tamin'ny anjelin'ny Tompo. 23 Hoy Iaveh taminy: Tomoera amim-piadanana, aza matahotra, fa tsy ho faty hianao. 24 Nanorina otely teo Jedeona ho an'ny Tompo ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efran'i Abiesera izany mandrak'androany. 25 Alin'iny ihany, dia hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Alao ny vantotr'ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny otelin'i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany.

26 Rahefa izany manorena otely eo an-tampon'ity fitoerana mimanda ity, ho an'ny Tompo Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin'ny hazon'Aserah hokapainao. 27 Dia naka folo lahy tamin'ny mpanompony Jedeona ka nanatanteraka izay nolazain'ny Tompo taminy. Nefa tsy sahy nanao izany antoandro izy, fa natahotra ny ankohonan-drainy mbamin'ny olona tao an-tanàna ka alina vao nanao. 28 Nony ampitso maraina, ka nifoha ny olona tao an-tanàna, dia indro fa ny otelin'i Baala rava, ny Aserah teo anilany voakapa, ny ombalahy faharoa, voatolotra ho sorona dorana, teo ambonin'ny otely vao naorina. 29 Nifampilaza izy nanao hoe: Iza no nanao izany? Nanontany izy sy namototra ary nisy nilaza taminy hoe: Jedeona zanak'i Joasy no nanao izany. 30 Tamin'izay ny olona tao an-tanàna nilaza tamin'i Joasy hoe: Avoahy ny zanakao ka aoka hovonoina izy fa nandrava ny otelin'i Baala, ary nikapa ny Aserah teo anilany. 31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo hamely azy: Hianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an'i Baala? Hianareo indray ve no tokonoy hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an'i Baala, dia hatao maty alohan'ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan'olona ny oteliny. 32 Tamin'izany andro izany no nanomezan'ny olona anarana an'i Jedeona hoe Jerobaala, fa nataony hoe: Aoka Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny oteliny. 33 Ary nivory Madiana sy Amaleka mbamin'ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an'i Jordany izy, dia nitoby teo amin'ny tany lemaka Jezraela.

34 Fa notsindrian'ny fanahin'ny Tompo Jedeona ka nitsoka trompetra, dia nivory nanaraka azy ny Abieserita; 35 nandefa iraka tany amin'i Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy koa ireo; nandefa iraka tany amin'i Asera sy Zabolona ary Neftalì, izy; ka niakatra ireo nitsena azy. 36 Dia hoy Jedeona tamin'ny Tompo: Raha ny tanako tokoa no tianao hamonjena an'Israely, araka ny voalazanao, 37 indro hametraka volon'ondry eo am-pamoloana aho, ka raha ny volon'ondry irery no lenan'ny ando, fa ny tany rehetra kosa ho maina, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hanafahana an'Israely araka ny voalazanao. 38 Dia tanteraka tokoa izany. Fa nifoha maraina koa izy nony ampitso ary nofiazany ny volon'ondry, ka nampandeha ranon'ando eran'ny kopy.

39 Fa hoy indray Jedeona tamin'Andriamanitra: Aoka mba tsy hirehitra amiko ny hatezeranao, aoka ho afaka hiteny indray maka indray aho: mba te-hizaha kely indray mandeha monja amin'ny volon'ondry indray aho: aoka ny volon'ondry irery no ho maina, fa ny tany rehetra no hilatsahan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'izay; ny volon'ondry irery no maina ary ny tany rehetra no lenan'ny ando.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1118