Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-7

1 Vao maraina koa dia nifoha Jerobaala, dia Jedeona izany, mbamin'ny vahoaka rehetra izay tao aminy ka lasa teo ambonin'ny loharano tao Harada. Ny tobin'i Madiana kosa, dia teo avaratry ny an'i Jedeona akaikikaikin'ny havoana More amin'ny tany lemaka.

2 Ary hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an'i Madiana ho eo an-tànany aho, fandrao hireharehan'Israely amiko izany hataony hoe: Ny tànako ihany no nahafaka ahy.

3 Koa asaovy antsoina ampahibemaso ho ren'ny vahoaka ny hoe: Aoka hiverina izay matahotra sy mangovitra, ka hiala amin'ny tendrombohitra Gelboe. Lehilahy roa arivo sy roa alina tamin'ny vahoaka no niverina ka iray alina sisa no nijanona. 4 Hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Mbola maro loatra ny vahoaka ka ampidino ho eo amoron-drano izy, fa eo no hanavahako azy ho anao, ka izay holazaiko aminao hoe: Aoka hiaraka aminao io, no hiaraka aminao; fa izay holazaiko aminao hoe: Aoka tsy hiaraka aminao io, dia tsy hiaraka aminao. 5 Dia nasain'i Jedeona nidina ho eo amoron-drano ny vahoaka, ka hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Samy atokàny avy izay milelaka ny rano amin'ny lelany, toy ny filelaky ny amboa, sy izay rehetra mandohalika hisotro. 6 Nisy telon-jato lahy no nilelaka ny rano tamin'ny tànany naingainy ho eo am-bavany, fa ny vahoaka sisa rehetra dia nandohalika avokoa no nisotro. 7 Ka hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Amin'ireo telon-jato lahy nilelaka aireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an'i Madiana ho eo an-tànanao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy. 8 Dia nakan'izy telon-jato lahy ny vatsin'ny vahoaka sy ny trompetrany, izay dia nalefan'i Jedeona hody ny olona sisa rehetra tamin'Israely, samy ho any an-dainy, fa notànany ny telon-jato lahy. Ny tobin'ny Madianita dia teo ambaniny teo amin'ny tany lemaka. 9 Tamin'ny alin'izay, dia hoy Iaveh tamin'i Jedeona: Mitsangàna hianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro eo an-tànanao izy.

10 Raha matahotra ny hamely azy hianao, dia miaraha midina amin'i Farà mpanomponao, 11 ka heony izay lazain'izy ireo, ary amin'izay dia hihahahery ny tànanao ka hidina eny an-toby hianao. Dia nidina niaraka tamin'i Farà mpanompony izy, ka tonga hatrany amin'ny mpiambina tsy aman'afo, eo alohalohan'ny toby. 12 Madiana sy Amaleka mbamin'ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran'ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hits isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. 13 Tonga tao Jedeona ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin'ny namany anankiray nanao hoe: Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin'ny tobin'i Madiana, dia tonga hatrany amin'ny lay dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo. 14 Dia izao no navalin'ilay namany nataony hoe: Tsy inona izany, fa ny sabatr'i Jedeona, zanak'i Joasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr'Andriamanitra ho eo an-tànany mihitsy Madiana sy ny toby rehetra. 15 Nony ren'i Jedeona ny filazany ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin'ny tobin'Israely, dia hoy izy: Mitsangàna hianareo, fa efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika ny tobin'i Madiana.

16 nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trompetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny, 17 dia hoy izy tamin'izy ireo: Izaho no hojerenareo, ary izay ataoko no hataonareo. 18 Rahefa mitsoka trompetra aho sy ireo miaraka amiko, dia mitsofa trompetra manodidina ny toby koa hianareo, ka milazà hoe: Ho an'ny Tompo sy ho an'i Jedeona. 19 Vao avy nosoloana ny mpiambina tamin'ny fiandohan'ny fotoam-piambenana misasaka no tonga tao amin'ny sisin'ny toby Jedeona sy izy zato lahy niaraka taminy, dia nitsoka trompetra sy namaky ny siny teny an-tànany.

20 Niaraka tamin'izay, samy nitsoka ny trompetra sy namaky ny sininy avy izy telo toko, ka ny tànany havia moa nihazona ny fanilo, ary ny tànany havanana kosa ny trompetra hotsofiny, dia niantso mafy izy nanao hoe: Sabatra ho an'ny Tompo sy ho an'i Jedeona. 21 Samy nijanona tamin'izay nisy azy nanodidina ny toby avy izy ireo; ka rafitra nihazakazaka, ninananana sy nandositra ny tao an-toby rehetra. 22 Izy telon-jato lahy moa nitsoka ny trompetra; Iaveh kosa nampifamely sabatra ny Madianita sy ny tao an-toby rehetra. Nandositra ny toby hatrany Beti-Seta mankany Sarera ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Abela-Meholà akaikin'i Tebata. 23 Dia nivory ny lehilahy amin'Israely ny avy amin'i Neftalì sy amin'i Asera ary amin'i Manase rehetra ka nanenjika an'i Madiana. 24 Ary nandefa iraka Jedeona any amin'ny tendrombohitra'i Efraima rehetra, nanao hoe: Midìna hianareo, ary tano alohan'izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an'i Jordany.

25 Dia nosamborin'izy ireo ny andriana roa lahy tamin'i Madiana, Oreba sy Zeba, ary novonoiny Oreba tao amin'ny vaton'i Oreba, ary Zeba novonoiny tao amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba. Nanenjika an'i Madiana izy, sy nitondra ny lohan'i Oreba sy Zeba tany amin'i Jedeona any an-dafin'i Jordany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0545