Bokin'ny Mpitsara

Toko faha-8

1 Ary hoy ny lehilahy amin'i Efraima tamin'i Jedeona: Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory hianao raha handeha hiady amin'i Madiana? Sady nilàny sotasota izaitsizy izy.

2 Fa izao no navalin'i Jedeona azy: Zinona moa no nataoko raha oharina amin'ny anareo? Moa tsy ny fitsimponam-boalobok'i Efraima aza no tsara, noho ny fararanom-boalobok'i Abiesera? 3 Fa teo an-tànanareo no natolotry ny Tompo ny andrianan'i Madiana, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo? Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran'izy ireo taminy. 4 Dia tonga tany Jordany Jedeona ary nita azy izy sy ireo telonjato lahy momba azy; efa sasatra izy nefa mbola nitozo nanenjika ihany.

5 Ary hoy izy tamin'ny mponina ao Sokota. Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho manenjika an'i Zebea sy Salmanà, mpanjakan'i Madiana. 6 Fa hoy ny navalin'ny lehiben'i Sokota: Efa voahazon'ny tànanao sahady ve ny tànan'i Zebea sy Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao izahay? 7 Dia hoy Jedeona: Aoka àry, fa rahefa voatolotry ny Tompo eo an-tànako kosa Zebea sy Salmanà dia hataoko hoto amin'ny tsilo any an'efitra sy amin'ny roy ny nofonareo. 8 Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin'ny olona toraka ny teo; fa novalian'ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin'ny olona tany Sokota ihany koa. 9 Ka hoy izy tamin'ny olona tao Fanoela: Rahefa avy nandresy aho, dia hofongorako ity tilikambo ity. 10 Tany Karkora Zebea sy Salmanà mbamin'ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin'ny foloalindahin'ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.

11 Niakatra Jedeona nihazo ny làlan'ny mpitoetra an-day ao atsinanan'i Nobe sy Jegbaà, ka namely ny toby izay natoky fa tsy haninona tsy haninona. 12 Ka vaky nandositra Zebea sy Salamanà, nefa nenjehiny ka azony izy roa lahy mpanjakan'i Madiana, Zebea sy Salmanà, ary nampifanaritahany avokoa ny toby manontolo. 13 Dia niverina avy tany amin'ny ady Jedeona zanak'i Joasy nihazo ny fiakarana Haresy.

14 Nisambotra zazalahy anankiray amin'ny mponina ao Sokota izy, nanontaniany, ka nosoratan'io ny anaran'ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokota. 15 Tamin'izay dia nankao amin'ny mponina ao Sokota Jedeona, ka nanao hoe: Indreo eo Zebea sy Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon'ny tànanao sahady ve ny tànan'i Zebea sy Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay? 16 Dia nosamboriny ny loholona tao an-tànana, ary rahefa nandray tsilo any an'efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokota izany. 17 Noravany koa ny tilikambo tao Fanoela ary novonoiny ny lehilahy tao an-tanàna. 18 Ary hoy izy tamin'i Zebea sy Salmanà: Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabora izany? Dia hoy ireo: Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak'andriana avokoa izy.

19 Ka hoy izy: Ny rahalahiko, zanak'i neny indrindra izany. Velona Iaveh! Tsy matiko hianareo, raha namelona an'ireo. 20 Ary hoy izy tamin'i Jetera zanany lahimatoa: Mitsangàna, ka vonoy ireo. Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora. 21 Dia hoy Zebea sy Salmanà: Ny tenanao no mitsangàna dia miantoraha aminay, fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Nitsangana Jedeona ka namony an'i Zebea sy Salmanà, ary naka ny sarim-bolan-tsinana teny amin'ny vozon-dramevan'ireo.

22 Dia hoy ny lehilahy amin'Israely tamin'i Jedeona: Aoka hanjaka aminay hianao sy ny zanakao ary ny zafinao, satria hianao no nanafaka anay tamin'ny tànan'i Madiana.

23 Hoy Jedeona taminy: Tsy hanjaka aminareo aho, na ny zanako, fa Iaveh ihany no hanjaka aminareo. 24 Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia hianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin'ny babony avy. Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny. 25 Ka hoy ny olona: Omenay an-tsitra-po raha izany. Sady namelatra lamba izy ire ka samy nanipy ny peratra azony tamin'ny babo avy. 26 Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan'ny pera-bolamena nangatahin'i Jedeona afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin'ny mpanjakan'i Madiana, mbamin'ny fehivozona teny amin'ny vozon-dramevany. 27 Nanaovan'i Jedeona efoda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa Israely rehetra nitolo-tena teo amin'izany efoda izany, ary tonga fandrika ho an'i Jedeona sy ny ankohonany izany. 28 Dia voaetry teo anatrehan'ny zanak'Israely Madiana, fa tsy nahatraka ny lohany intsony, ka nandry efapolo taona ny tany tamin'ny andron'i Jedeona.

29 Ary nody Jerobaala zanak'i Joasy, ka nonina tao an-tranony.

30 Fitopolo lahy no zanaka naterak'i Jedeona fa maro vady izy. 31 Niteraka zazalahy taminy koa ny vadin-tsindranony tany Sikema, ka natao hoe Abimeleka ny anarany. 32 Tratra antitra tsara Jedeona, zanak'i Joasy, vao maty; ary tao amin'ny fasan'i Joasy rainy izy no nalevina, tao Efran'i Abiesera. 33 Nony maty Jedeona dia nitolo-tena tamin'ireo Baala indray ny zanak'Israely; ka Baala-Berita no nataony andriamaniny.

34 Tsy notsarovan'ny zanak'Israely intsony Iaveh Andriamanitr'izy ireo, izay nanafaka azy tamin'ny tànan'ny fahavalony rehetra nanodidina azy; 35 ary tsy nampiseho firaiketam-po tamin'ny taranak'i Jerobaala-Jedeona araka ny soa rehetra nataony tamin'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0534