Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Nahoma

Nahoma toko 1
Hatezeran'Iaveh amin'i Niniva sy fanamelohany azy - Iaveh, Andriamanitra Mpamaly; mandroso hamely an'i Niniva; ka ravany ny tanàna; ny vahoaka kosa vonjeny.

       1Teny momba an'i Niniva. Bokin'ny fahitan'i Nahoma avy any Elkosy.
       2Andriamanitra saro-piaro sy mpamaly heloka Iaveh,
mpamaly heloka sady mahalala fahatezerana;
mamaly izay manohitra azy Iaveh,
sady mitahiry fahatezerana amin'ny fahavalony.
       3Mahari-po ela Iaveh sady be hery
ary tsy misy meloka avelany fotsiny.
Tadio aman-tafio-drivotra no handehanan'ny Tompo,
ary rahona no vovoka diaviny.
       4Mandrahona ny ranomasina izy dia ataony maina;
ary ataony ritra ny ony rehetra.
Malazo Basàna sy Karmely,
malazo koa ny zava-manirin'i Libàna.
       5Mihorohoro ny tendrombohitra eo anoloany,
ary miempo ny havoana;
mientanentana ny tany eo anatrehany,
dia izao tontolo izao sy izay rehetra monina eo aminy.
       6Iza no mahatoetra eo anoloan'ny fahamarinany?
Zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany?
Mìtatra toy ny afo ny fahatezerany,
ary mitresaka eo anoloany ny vatolampy.
       7Tsara fo Iaveh;
fiarovana amin'ny androm-pahoriana izy,
ary mahalala izay matoky azy.
       8Hofoanany amin'ny riaka manafotra izany fitoerana izany;
ary henjehiny hatrany anatin'ny aizina ny fahavalony.
       9Inona no hevitrareo ny amin'ny Tompo?
Hotanterahany ny fandravana:
tsy hipoitra fanindroany ny fahoriana.
       10Fa nifaningotra toy ny tsilo
sy toy ny leon'ny divainy izy ireo,
ka ho levona toy ny mololo karankaina.
       11Avy taminao no nivoahan'ilay misain-dratsy hanoherana an'ny Tompo,
izay mamoron-kevitra mahameloka.
       12Izao no lazain'ny Tompo:
Na dia tsy latsak'isa sady maro aza izy ireo,
dia hojinjaina ary tsy hitsy intsony.
Efa nanetry anao aho, ka tsy hanetry anao intsony.
       13Ary ankehitriny, ry Jodà ô,ho tapahiko hiala aminao ny jiogany;
ary hotòsako ny famatorana anao.
       14Ny aminao kosa izao no voadidin'ny Tompo:
Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao;
hofoanako ao an-tranon'Andriamanitrao
ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina;
manomam-pasana ho anao aho satria latsa-danja hianao. >