Bokin'i Nahoma
Nahoma toko 3
Ny helok'i Niniva, nahatonga ny faharavany - Ny helok'i Niniva; hiray anjara amin'i Teba izy; masaka hotsaraina izy.
1Loza ho an'ny tànana mpandatsa-dra,
feno fanambakana amam-pahasiahana
tsy mitsahatra amin'ny halatra!
2Injany re ny firivorivon'ny karavasy,
ny firodorodon'ny kodia,
ny katrokatroky ny soavaly,
ny fiantraitraiky ny sarety!
3Mpitaingin-tsoavaly miezaka,
sabatra mamirapiratra, lefona manjelatra,
olo-maratra sesehena, maty miavosa,
faty tsy hita isa...
Voafingampingan'ny faty, ny olona!
4Ny nahatonga izany, dia noho ny fijangajangana maro be nataon'ilay vehivavy janga,
feno zavatra mahafinaritra manangoly, kinga amin'ny fankatoavana,
izay nivarotra firenena amin'ny fijangajangany sy vahoaka amin'ny fankatoavany.
5Inty aho izao manohitra anao, - teny marin'ny Tompon'ny tafika;
haingaiko hatrany amin'ny tavanao ny rambon'ny akanjonao,
haharihariko amin'ny firenena ny fitanjahanao,
ary amin'ny fanjakana ny fahamenaranao.
6Hotsipazako loto hianao, sy halàko baraka,
sy hataoko fijerin'ny olona hianao.
7Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa,
sy hanao hoe: Rava Niniva!
Iza no hangoraka azy?
Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
8Moa hianao tsara noho No-Amona
izay nipetraka teo amin'ny ony,
nohodidinin'ny rano,
nanana ny ranomasina ho mandany,
sy ny rano be ho tambohony?
9Etiopia no heriny, mbamin'ny Ejipta koa,
ary be tsy hita isa ireny;
Foty sy ny Libiana no mpanampy anao.
10Mba lasana voasesi-tany ihany anefa, ary nentin-ko babo izy;
ny zanany madinika koa notorotoroina,
teny an-joron-dalambe rehetra teny;
ny olo-malazany nanaovana filokana,
ary ny lehibeny rehetra nivesatra gadra avokoa.
11Hianao koa hampileovina, dia hanjavona tsy hita intsony;
hianao koa eo anatrehan'ny fahavalo hitady fialofana.
12Ny tanànanao mimanda mafy rehetra
dia aviavy misy voany masaka;
hozongozonina dia miraraka
eo am-bavan'izay te-hihinana azy ireny.
13Indro ny vahoakanao fa toy ny vehivavy eo afovoanao;
eo anoloan'ny fahavalonao, dia hivoha midanadana
ireo vavahadin'ny taninao;
levon'ny afo ny hidinao.
14Mantsaka rano ho anao ho fitaovana amin'ny fahirano;
hamafiso ny manda,
manditia tanimanga, mihose tanidilatra,
raiso ny lasitra hanaovana biriky.
15Any no handevonan'ny afo anao,
handripahan'ny sabatra anao,
sy hihinanany anao, toy ny ieleka
na dia ho maro toy ny ieleka aza hianao,
sy ho betsaka toy ny valalavao.
16Nampitombo isa ny mpandrantonao hianao,
mihoatra noho ny kintana eny an-danitra;
mikopak'elatra ny ieleka dia lasa manidina.
17Ny mpiambinao no toy ny ieleka
ary ny mpanapaka anao no toy ny valalavao miavosa,
mipetraka eny amin'ny fefy izy, amin'izay andro mangatsiaka;
fa lasa mandositra raha vao miposaka ny masoandro,
ka tsy fantatra intsony izay nisy azy; nankaiza izy?
18Rendremana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asiria;
mivalandotra ny lehilahy maherinao;
mihahaka eny an-tendrombohitra ny vahoakanao;
sady tsy misy olona mamory azy.
19Tsy lai-panafody ny ratranao;
ratsy ny ferinao;
izay rehetra hitantarana ny nanjo anao,
hiteha-tànana noho ny aminao avokoa;
satria zovy moa no tsy niharan'ny hasomparanao lava izao? >