Bokin'i Nehemia

Toko faha-10

1 Noho izany rehetra izany, dia manao fanekena masina izahay ka nalatsaka an-tsoratra, ary ny lehibenay, ny levitanay sy ny mpisoronay nanisy ny tombo-kaseny eo avy.

2 Ireto izy no nanisy ny tombo-kaseny avy: Nehemia, governora zanak'i Helkiasa,

3 Sedekiasa, Saraiasa, Azariasa, Jeremia, 4 Fasora, Amariasa, Melkiasa, 5 Hatosa, Sebeniasa, Melòka, 6 Harema, Merimota, Abdiasa, Daniela, 7 Gentona, Baròka, Mosolama, Abiasa, 8 Miamina, Maaziasa, 9 Belgaì, Semeiasa, samy mpisorona ireo. 10 Ary ny levita: Josoe zanak'i Azaniasa, Benaì, isan-janak'i Henadada, 11 Kedmiela, mbamin'ireo rahalahiny, Sebeniasa, Odaiasa, Kelità, Falaiasa, 12 Hanàna, Mikà, Rohoba, Hasebiasa, 13 Zakora, Serebiasa, Sabaniasa, 14 Odaiasa, Bani, Banino. 15 Filohan'ny vahoaka: Farosa, Fahat-Moaba, Elama, Zetò, Banì, 16 Bonì, Azgada, Bebaì, 17 Adoniasa, Begoaì, Adìna, 18 Atera, Ezekiasa, Azora, 19 Odaiasa, Hasoma, Besaì, 20 Harefa, Anatota, Nebaì, 21 Megfiasa, Mosolama, Hazira, 22 Mesezabela, Sadaoka, Jedoà, 23 Feltiasa, Hanàna, Anaiasa, 24 Osea, Anania, Hasoba, 25 Alohesa, Faleà, Sobeka, 26 Rehoma, Hasebnà, 27 Maasiasa, Ekiasa, Hanana, 28 Anana, Melòka, Harima, Baanà. 29 Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineana, ary izay rehetra nisaraka tamin'ny vahoakan'ny tany, hanaraka ny lalàn'Andriamanitra, mbamin'ny vadin'ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy,

30 izay afa-nahalala sy manan-tsaina rehetra, dia samy nikambana tamin'ireo rahalahiny, dia ny andriandahiny, avokoa, nanome toky tamim-piozonana amam-pianianana fa hanaraka ny lalàn'Andriamanitra, izay nomena tamin'ny alalan'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra, hitandrina sy hankatò ny didin'ny Tompo Tompontsika, mbamin'ny fitsipiny aman-dalàny. 31 Indrindra fa nanome toky izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho vadin'ny vahoakan'ny tany, na haka ny zanany vavy ho vadin'ny zanakay lahy; 32 tsy hividy na inona na inona amin'ny andro sabata sy ny andro fety amin'ny entam-barotra na zava-pihinana, na inona na inona, raha sendra misy entin'ny vahoakan'ny tany hamidy amin'ny andro sabata; hamela ny tany hijanona tsy ambolena amin'ny taona fahafito, sady hamoy ny trosa rehetra. 33 Nataonay didy ho anay ny handoa ampahatelon-tsikla isan-taona, amin'ny momba ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra,

34 ny mofo alahatra, ny fanatitra tsy tapaka, ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona amin'ny sabata, ny voaloham-bolana ary ny fety, ny zavatra masina, ny sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho an'ny zanak'Israely, mbamin'izay rehetra fanao ao an-tranon'Andriamanitsika. 35 Nanao filokana izahay mpisorona, levita, vahoaka, ny amin'ny hanaterana ny kitay hazo, mba samy hitondra izany ao an-tranon'Andriamanitsika, isam-pianakaviana araka ny anjara fotoany avy, amin'ny fotoana voaraikitra, isan-taona, mba harehitra eo ambonin'ny otelin'ny Tompo Andriamanitsika, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna.

36 Nametra-teny izahay fa hanatitra ao an-tranon'ny Tompo isan-taona ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny santatry ny voankazo rehetra avy amin'ny hazo mamoa rehetra, 37 hitondra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, amin'ny mpisorona manao ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitsika, ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny omby aman'ondrinay. 38 Toraka izany koa hanatitra ho an'ny mpisorona ao amin'ny efitrano, ao an-tranon'Andriamanitsika, ny santatry ny kobanay amam-panatitray voaavaka mbamin'ny voankazo avy amin'ny hazo rehetra, ny divay vaovao ary ny diloilo, ary hanolotra amin'ny levita ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay; ary ny tenan'ny levita no haka ny ampahafolony any amin'ny tanàna rehetra fambolenay. 39 Ny mpisorona taranak'i Aarona, hiaraka amin'ny levita, rahefa mandray ny fahafolony ny levita, ary ny ampahafolon'ny fahafolony dia haterin'ny levita ao an-tranon'Andriamanitra ao amin'ny efitrano fitehirizan-drakitra. 40 Fa ao amin'ny efitrano no hanateran'ny zanak'Israely sy ny taranak'i Levì ny fanatitra avy amin'ny vary sy ny divay aman-diloilo; ao no misy ny fanaky ny fitoerana masina, sy itoeran'ny mpisorona manao ny fanompoana, mbamin'ny mpiandry varavarana sy ny mpihira, ka amin'izany tsy hataonay mosalahy ny amin'ny tranon'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0895