Bokin'i Nehemia
Nehemia toko 11
Fizaran-toeran'ny mponina amin'i Jerosalema sy ny tany sisa.
1Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben'ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin'ny tanàna hafa. 2Ary nisaoran'ny vahoaka izay rehetra nanolo-tena ho azy, honina ao Jerosalema.
3Izao no loham-pianakaviana avy any ambanivohitra tonga nonina tao Jerosalema. Tany amin'ny tanànan'i Jodà, samy nonina teo amin'ny taniny aman-tanànany avy: dia Israely, ny mpisorona sy ny levita ary ny Natineana mbamin'ny mpanompon'i Salomona.
4Ny niorim-ponenana tao Jerosalema dia ny avy amin'ny taranak'i Jodà sy Benjamina. Avy amin'ny taranak'i Jodà: Ataiasa zanak'i Aziama, zanak'i Zakaria, zanak'i Amariasa, zanak'i Safatiasa, zanak'i Malaleela, avy amin'ny taranak'i Faresa; 5ary Maasiasa zanak'i Baròka, zanak'i Kolhozà, zanak'i Haziasa, zanak'i Adaiasa, zanak'i Joiariba, zanak'i Zakaria, zanak'i Selà. 6Lehilahy mahery valo amby enimpolo sy efa-jato no tontalin'ny avy amin'ny taranak'i Faresa tonga nonina tao Jerosalema. 7Ary izao no taranak'i Benjamina: Seloma, zanak'i Mosolama, zanak'i Joeda, zanak'i Fadaiasa, zanak'i Kolaiasa, zanak'i Maasiasa, zanak'i Eteela, zanak'i Isaia; 8ary nanarakaraka azy: Gebai-Selaì: valo amby roapolo sy sivin-jato izy. 9Joela zanak'i Zekrì no mpifehy azy; ary Jodà zanak'i Senoà no lefitry ny komandin'ny tanàna.
10Avy amin'ny mpisorona: Idaiasa zanak'i Joiariba, 11Jasina, Saraiasa zanak'i Helkiasa, zanak'i Mosolama, zanak'i Sadaoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Akitoba, andriandahy amin'ny tranon'Andriamanitra, 12mbamin'ny rahalahin'ireo, izay nanao ny raharaha tao an-trano: roa amby roapolo sy valon-jato; Adaiasa zanak'i Jerohama, zanak'i Feleliasa, zanak'i Amsì, zanak'i Zakaria, zanak'i Fasora, zanak'i Melkiasa, 13mbamin'ireo rahalahiny, samy loham-pianakaviana: roa amby efapolo sy roan-jato; ary Amasaì zanak'i Azreela, zanak'i Ahazì, zanak'i Mosolamota, zanak'i Emera, 14mbamin'ny rahalahin'ireo, samy lehilahy mahery: valo amby roapolo amby zato. Zabdiela zanak'i Hagdolima no mpifehy azy ireo.
15Avy amin'ny levita: Semeiasa zanak'i Hasoba, zanak'i Ezrikama, zanak'i Hasabiasa, zanak'i Bonì; 16Sabataì sy Jozabada, anisan'ny lohan'ny levita, tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra; 17Mataniasa zanak'i Mika, zanak'i Zebedeì, zanak'i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin'ny fivavahana; Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin'ireo rahalahiny, sy Abdà zanak'i Samoà, zanak'i Galala, zanak'Iditòna. 18Efatra amby valopolo sy roan-jato no tontalin'ny levita tao amin'ny tanàna masina.
19Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba, Telmona, mbamin'ireo rahalahiiny, mpiambina ny vavahady: roa amby fitopolo amby zato.
20Israely sisa, ny mpisorona ary ny levita dia tany amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, samy tany amin'ny zara taniny avy.
21Ny Natineana dia nonina teo amin'ny faritanin'i Ofela: Sihà sy Gasfà no nifehy ny Natineana. 22Ny mpifehy ny levita tao Jerosalema, dia Azì zanak'i Banì zanak'i Hasabiasa, zanak'i Mataniasa, zanak'i Mikà, anisan-taranak'i Asafa, ireo mpihira niadidy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra. 23Fa nisy didin'ny mpanjaka ny amin'izy ireo, sy karama voafetra homena ny mpihira isan'andro. 24Faratiasa zanak'i Mesezebela, isan-taranak'i Zarà, zanak'i Jodà kosa no mpanao raharahan'ny mpanjaka, amin'ny raharaha rehetra momba ny vahoaka.
25Ny amin'ny tanàna sy ny tany momba azy dia izao no nonenan'ny zanak'i Jodà: Kariata-Arbe, mbamin'ny vohitra momba azy, Dibona mbamin'ny vohitra momba azy, Kabseela, mbamin'ny zana-bohiny; 26Jesoae, Molada, Bet-Faleta; 27Hasersoala, Bersabea, mbamin'ny vohitra momba azy; 28Sikelega, Mokona, mbamin'ny vohitra momba azy; 29En-Remona, Saraà, Jerimota, 30Zanola, Odolama, mbamin'ny zana-bohitr'ireo; Lakisa mbamin'ny tany momba azy, Azekà mbamin'ny vohitra momba azy. Hatrany Bersabea ka hatrany amin'ny lohasahan'i Enoma no nonenany.
31Ny avy amin'ny taranak'i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin'ny vohitra momba azy; 32tany Anatota, Nobà, Anania, 33Asora, Ramà, Getaima, Hadida, 34Seboima, Nebalata, Loda, 35ary Onao, amin'ny lohasahan'ny Mpanao taozavatra. 36Tamin'ny levita, izay anisan'ny antokon'i Jodà, dia nisy nitambatra tamin'i Benjamina. >