Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Nehemia

Nehemia toko 2
Navelan'i Artakserksesa Nehemia, handeha hanangana ny mandan'i Jerosalema - Nasain'i Nehemia namboarina ny manda manodidina an'i Jerosalema.

       1Tamin'ny volana Nisana, taona faha-roapolo nanjakan'i Artakserksesa mpanjaka, raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay, dia noraisiko ny divay ka natolotro ny mpanjaka, ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany. 2Ka hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana ity hianao no malahelo tarehy, kanefa tsy marary tsinona? Tsy inona izao, fa alahelon'ny fo mihitsy! 3Nivadi-po tery aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon'ny afo? 4Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona no tianao hangatahina amiko? 5Nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin'ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray. 6Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin'izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: Haharitra hoatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina hianao? Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr'andro taminy aho. 7Ary hoy koa aho tamin'ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy aho, ho an'ny governora any an-dafin'ny ony, mba hamelany ahy handeha, mandra-pahatongako any Jodà, 8ary taratasy anankiray koa ho an'i Asafa mpitandrina ny alan'ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby hatao amin'ny varavaran'ny trano mimanda manolotra ny tempoly sy hatao amin'ny mandan'ny tanàna, mbamin'ny trano hihatahako. Dia nomen'ny mpanjaka ahy izany, fa nomba ahy ny tanana manambin'Andriamanitro.
       9Dia lasa ho any amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho ka natolotro azy, ireo taratasin'ny mpanjaka, ary nisy manamboninahitra amam-pitaingin-tsoavaly koa, nalefan'ny mpanjaka hiaraka amiko. 10Nony fantatr'i Sanabalata Horonita, sy Tobia ilay mpanompo Amonita izany, dia ratsy mihitsy ny heviny amin'ny hoe, nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny zanak'Israely.
       11Dia tonga tany Jerosalema aho ka nony afaka hateloana no nitoerako tao, 12nifoha tamin'ny alina aho, nomban'olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin'olona izay natoron'Andriamanitra tao am-poko hatao ho an'i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay notaingenako ihany. 13Mbola alina, dia nivoaka teo amin'ny vavahadin'ny Lohasaha aho, dia nandroso mankany amin'ny loharanon'ny Dragona sy ny vavahadin'ny Zezika; nozahako ny mandan'i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny efa levon'ny afo. 14Notohizako ny diako mankany amin'ny vavahadin'ny Loharano, sy ny Farihin'ny Mpanjaka, nefa tsy nisy fitoerana azon'ilay biby notaingenako naleha, raha mbola taingenako izy. 15Nandeha alina aho niakatra tamin'ny lohasahan-driaka, ka nizaha ny manda; izay vao niverina tany amin'ny vavahadin'ny Lohasaha, ka dia niditra.
       16Tsy nisy nahalala izay nalehako na izay kendreko hatao ny andriambaventy. Fa hatramin'izay dia mbola tsy nisy nambarako tamin'ny Jody na inona na inona, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny lehibe, na tamin'ny andriambaventy, na tamin'ny hafa amin'ny vahoaka izay tsy maintsy manao ny asa. 17Nony inona, dia hoy aho tamin'izy ireo: Hitanareo ny toetra mahonena mahazo antsika, fa rava ity Jerosalema, ary levon'ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hatsangantsika ny mandan'i Jerosalema, dia tsy ho fandatsa intsony isika. 18Dia notantaraiko tamin'izy ireo ny nomban'ny tànana manambin'Andriamanitra ahy, mbamin'ny teny nolazain'ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: Mitsangàna ary isika, hanorina. Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo.
       19Nony nandre izany, Sanabalata Horonita, sy Tobia ilay mpanompo Amonita, ary Gosena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin'ny mpanjaka angaha hianareo? 20Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha hianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, aty Jerosalema hianareo. >