Bokin'i Nehemia
Nehemia toko 3
Ny nanaovana ny manda indray.
1Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin'ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin'ny Ondy, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin'ny tilikambon'i Meà, ka hatramin'ny tilikambon'i Hananeela. 2Ny mponina ao Jerikao no nanorina teo anilany, ary Zakora, zanak'i Amrì, nanorina teo anilany.
3Ny taranak'i Senaà no nanao ny vavahadin'ny Hazandrano, nataony teo ny sakamandimby, dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany; 4ary teo anilany dia Merimota zanak'i Oria, zanak'i Akosa no nanamboatra; ary teo anilany dia Mosolama zanak'i Barakia, zanak'i Mesezebela, no nanamboatra; ary teo anilany dia Sadaoka zanak'i Baanà no nanamboatra; 5teo anilany dia ny Tekoita no nanamboatra, saingy tsy nilatsaka hanampy tamin'ny fanompoana ny Tompony, ny lehibe tamin'izy ireo.
6Joiadà zanak'i Faseà, sy Mosolama zanak'i Besodiasa, no nanamboatra ny Vavahady Goga, nataony teo ny sakamandimby dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany. 7Meltiasa Gabaonita, Jadòna Meronatita, mbamin'ny mponina ao Gabaona sy Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin'ny fitsaran'ny governoran'ny any an-dafin'ny ony; 8Oziela zanak'i Araiasa lohan'ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary Anania isan'ny fikambanan'ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; ary Anania isan'ny fikambanan'ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany Jerosalema hatreo amin'ny manda malalaka.
9Nanamboatra teo anilany, Rafaiasa, zanak'i Hora, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Jerosalema. 10Teo anilany dia Jedaiasa zanak'i Haromafa no nanamboatra tandrifin'ny tranony; ary teo anilany dia Hatosa zanak'i Haseboniasa no nanamboatra. 11Ny laniny sasany amin'ny manda sy ny tilikambon'ny Fatana fandoroana kosa, namboarin'i Melkiasa zanak'i Herema sy Hasoba zanak'i Fahata-Moaba. 12Teo anilany dia Seloma zanak'i Alohesa, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Jerosalema, no nanamboatra niaraka tamin'ny zanany vavy.
13Hanòna sy ny mponina ao Zanoe no nanamboatra ny vavahadin'ny Lohasaha; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany; fanampin'izany koa dia nanao ny manda arivo hakiho, hatreo amin'ny vavahadin'i Zezika izy.
14Melkiasa zanak'i Rekaba, lehiben'ny faritanin'i Betakarama no nanamboatra ny vavahadin'ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany.
15Seloma zanak'i Kolkozà, lehiben'ny faritanin'i Masfà, no nanamboatra ny vavahadin'ny Loharano; narafiny sy notafoany izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany; fanampin'izany koa nanao ny mandan'ny farihin'i Siloa, anilan'ny zaridainan'ny Mpanjaka izy, hatreo amin'ny ambaratonga midina avy any an-tanànan'i Davida.
16Nanaraka azy, Nehemia zanak'i Azbaoka, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Betsora, nanamboatra hatreo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida, hatreo amin'ilay dobo voarafitra sy hatreo amin'ny tranon'ny Lehilahy mahery. 17Nanamboatra nanaraka azy, ny levita tarik'i Rehoma, zanak'i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an'ny faritaniny, Hasebiasa lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Keilà. 18Nanamboatra nanarakaraka azy, ireo rahalahiny tarik'i Bavaì zanak'i Henadada, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Keilà. 19Teo anilany dia Azera zanak'i Josoe, lehiben'i Masfà, no nanamboatra ny ilan'ny manda, teo an-tandrifin'ny fiakaran'ny fitehirizam-piadiana, eo amin'ny zoro.
20Nanarakaraka azy dia Barota zanak'i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin'ny zoro ka hatreo amin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba, mpisorona lehibe. 21Nanarakaraka azy dia Merimota zanak'i Oria, zanak'i Akosa no nanamboatra ny ilany anankiray hatreo amin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba, ka hatrarý amin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba. 22Ny nanarakaraka azy dia ireo mpisorona, lehilahin'ny tany lemak'i Jordany. 23Manarakaraka ireo, dia Benjamina sy Hasoba nanamboatra teo an-trandrifin'ny tranony. Manaraka ireo, Azariasa zanak'i Maasiasa zanak'i Anania, nanamboatra teo akaikin'ny tranony.
24Manarakaraka azy, Benoì zanak'i Henadada, nanamboatra ny laniny iray, hatreo amin'ny tranon'i Azariasa ka hatreo amin'ny zorony sy hatreo amin'ny fiolahana.
25Falela zanak'i Ozì, nanamboatra teo an-tandrifin'ny zorony sy ny tilikambo avo izay mibohitra eo alohan'ny tranon'ny mpanjaka, akaikin'ny tokotanin'ny tranomaizina. 26Ary ny Natineana dia nonina teo amin'ny Ofela, hatreo an-tandrifin'ny vavahadin'ny Rano, any atsinanana, sy ny tilikambo mandroso. 27Manarakaraka azy, ny Tekoita nanamboatra ny laniny iray, tandrifin'ny tilikambo lehibe mibohitra, ka hatreo amin'ny mandan'i Ofela.
28Teo ambonin'ny vavahadin'ny Soavaly dia ny mpisorona no samy nanamboatra ny tandrifin'ny tranony avy. 29Manarakaraka azy, Sadaoka zanak'i Emera nanamboatra ny teo anoloan'ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra Semeiasa zanak'i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin'ny tempoly. 30Manarakaraka azy, Hananìasa zanak'i Selemiasa sy Hanona fahenin'ny zanak'i Selefa, nanamboatra ny laniny iray hafa. Manarakaraka azy Mosolama, zanak'i Barakia, nanamboatra ny teo anoloan'ny tranony. 31Manarakaraka azy, Melkiasa isan'ny fikambanan'ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin'ny tranon'ny Natineana sy ny mpivarotra, teo anoloan'ny vavahadin'i Mifkada ka hatreo amin'ny trano ambony eo anjorony. 32Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra nanamboatra ny eo anelanelan'ny trano ambony eo anjorony sy ny vavahadin'ny Ondry.
33Tezitra ary nisafoaka mafy Sanabalata, nony nandre fa hoe: Mandrafitra ny manda indray izahay. Dia naneso ny Jody izy. 34Dia niteny teo anatrehan'ireo rahalahiny sy ireo miaramilan'i Samaria izy nanao hoe: Asa inona no ndeha hataon'ireo Jody tsy mahefa? Dia havelan'ny olona hanao eo ve ireo? Hahatitra sorona eo va ireo? Hahavita amin'ny indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato voalevina any ambany vovo-tany miavosa sy levon'ny afo va ireo? 35Hoy koa Tobia Amonita, teo anilany: Avelao ihany hanamboatra eo ireo, fa na fosa iray aza hiantoraka eo dia haharava ny manda vaton'ireo!
36Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa voaeso izahay. Atsingereno amin'ny lohany ny famingavingana nataony, ary atolory ho remby eny amin'ny tany hamaboana azy izy! 37Aza avela ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany, fa efa nanao fanafintohinana teo anatrehan'ireto mandrafitra izy.
38Dia narafitray ny manda, ka voatsangana indray avokoa ny manda manodidina hatreo amin'ny antsasaky ny hahavony, fa niasa an-jotom-po ny vahoaka. >