Bokin'i Nehemia

Toko faha-6

1 Nony fantatr'i Sanabalata, Tobia, Gosena Arabo, mbamin'ireo fahavalonay hafa, fa hoe, voarina indray ny manda, ary tsy misy banga intsony;

2 -nefa hatramin'io fotoana io mbola tsy nataoko tamin'ny varavarana ny lelany, - dia naniraka nankaty amiko Sanabalata sy Gosena, hilaza hoe: Tongava, fa aoka isika hihaona kely any amin'ireo vohitra, amin'ny lohasahan'i Onao. Ny hanisy ratsy ahy no heviny. 3 Nandefa iraka aho hilaza aminy hoe: Asa lehibe no ataoko ka tsy afa-midina aho. Ary nahoana ange ny asa no hiato, fa hilaozako hankany aminareo? 4 Inefatra izy no nampitondra tamiko izany hevitra izany, nefa izany ihany no navaliko azy hatrany. 5 Fa nirahin'i Sanabalata fanindiminy, araka izany ihany indray, ny mpanompony, nitondra taratasy nivelatra teny an-tànany; 6 ka izao no soratra tao: Efa mahoraka amin'ny firenena, sady lazain'i Gosena koa fa hoe, mihevitra ny hikomy hianao sy ny Jody, ka izany no anaovanao ny manda; ary hianao, araka izany honohono izany, no mitady ny ho tonga mpanjakany. 7 Ary efa nanendry mpaminany hianao aza, hiantso ampahibemaso ao Jerosalema hoe: Efa misy mpanjaka any Jodà, mantsy anao. Ary ankehitriny dia ampandrenesina izany raharaha izany ny mpanjaka, ka avia dia hiara-mihevitra isika. 8 Dia naniraka tany aminy aho, hilaza hoe: Tsy misy nitranga araka izany zavatra lazainao izany, fa zavatra foronin'ny sainao fotsiny. 9 Ny hampitahotra anay no kendren'izy rehetra, satria hoy izy: Hiaosa ny tànany dia hilaozany ny asa, ka tsy ho tontosa. Koa ankehitriny herezo ny tànako, ry Andriamanitro. 10 Ary nankao amin'i Semaiasa zanak'i Dalaiasa, zanak'i Metabeela aho. Nihidy aman-trano izy, ary izao no nolazainy tamiko: Andeha isika hiara-mankao an-tranon'Andriamanitra eo anatin'ny tempoly, fa tamy hamono anao ny olona; ary amin'ny alina no hahatongavan'ny olona hamono anao.

11 Fa hoy ny navaliko: Lehilahy toa ahy izao ve ka handositra!... Ary ahoana moa no hidiran'ny olona tahaka ahy any amin'ny tempoly ka mbola ho velona ihany? Tsy hiditra aho. 12 Dia nandinika aho, ka indro fa tsy Andriamanitra no naniraka azy; fa ny nanononany faminaniana ny amiko dia noho izy voakaraman'i Toboa sy Sanabalata. 13 Ary ny nanakaramany azy dia mba hatahorako ka hanarahako ny toro-heviny sy hanotako, dia misy hoentiny haharatsy laza ahy sy hahafa-baraka ahy. 14 Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanabalata, arak'izany asa ratsy izany, ary koa Noadiasa mpaminany, sy ireo mpaminany hafa nitady hampitahotra ahy!

15 Roa amby dimampolo andro, dia vita ny manda, tamin'ny fahadimy amby roapolon'ny volana Elola.

16 Nony nandre izany ny fahavalonay rehetra dia raiki-tahotra avokoa ny firenena manodidina anay, tsaroany reraka mafy ny fony, ary fantany fa ny Andriamanitray no nahavita izany asa izany. 17 Tamin'izany andro izany ny lehibe sasany tamin'i Jodà dia nampitombo ho maro ny taratasy nalefany tany amin'i Tobia, ary ny taratasin'i Tobia koa tonga nankaty amin'izy ireo;

18 satria maro tamin'ny lehiben'i Jodà no efa tafaray taminy tamin'ny fianianana, noho izy vinanton'i Sekeniasa, zanak'i Areà, sy noho Johanàna zanany lahy nanambady ny zanakavavin'i Mosolama, zanak'i Barakia. 19 Nilaza ny hatsaran-toetrany teo anatrehako aza izy ireo, ary ny teniko notateriny taminy. Nampitondra taratasy hampitahotra ahy Tobia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095