Bokin'i Nehemia

Toko faha-9

1 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'izany volana izany, nivory hifady hanina ny zanak'Israely, samy nitafy lasaka sy nanisy vovoka ny lohany.

2 Nisaraka tamin'ny zanaky ny hafa firenena rehetra ny taranak'Israely, dia nitsangana sy niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. 3 Nony nitsangana samy teo amin'izay nitoerany avy izy rehetra dia namaky teny ampahefatr'andro, teo amin'ny bokin'ny lalàn'ny Tompo, ary ampahaefatr'andro niaiky heloka sy nivavaka tamin'ny Tompo Andriamaniny. 4 Niakatra teo amin'ny lampihazon'ny levita Josoe, Banì, Kedmiela, Sabaniasa, Bonì, Sarebiasa, Banì, sy Kananì, ka nitaraina tamin'ny feo avo tamin'ny Tompo Andriamaniny.

5 Ary hoy ny levita Josoe, Kedmiela, Banì, Hasebniasa, Sarebiasa, Odaiasa, Sebniasa, Fatatiasa: Mitsangana hianareo ka misaora an'ny Tompo Andriamanitrareo, mandrakizay, mandrakizay! Isaorana anie ny anaranao be voninahitra, izay mihoatra noho ny fisaorana amam-piderana rehetra! 6 Fa hianao irery, dia hianao ry Iaveh, no nanao ny lanitra, ny lanitry ny lanitra, mbamin'ny tafika rehetra eo aminy, ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. Hianao no manome aina an'izany rehetra izany; ary mitsaoka anao ny tafiky ny lanitra. 7 Hianao, ry Iaveh Andriamanitra, no nifidy an'i Abrahama, ka nitondra azy nivoaka avy any Ora, any Kaldea, sy nanome anarana azy hoe Abrahama. 8 Nahita ny fony ho mahatoky eo anatrehanao hianao, ka nanao fanekena taminy, fa hanome ho an'ny taranany, ny tanin'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Jeboseana, ary ny Gergeseana, ary notanterahinao ny teninao, fa marina hianao. 9 Nitsinjo ny fahorian'ny razanay tany Ejipta hianao, ary nihaino ny fitarainany teo amoron'ny ranomasina Mena.

10 Nanao famantarana amam-pahagagana namely an'i Faraona hianao sy namely ny mpanompony mbamin'ny vahoakan'ny taniny rehetra, satria hitanao fa tamim-pianjonanjonana no nitondrany ny razanay, ka dia nahazo laza ny anaranao, araka izay hita mandraka androany. 11 Nosarahinao teo anoloan'ireny ny ranomasina, ka dia namaky teo afovoan'ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin'ny hantsana, sahala amin'ny vato, ao anatin'ny ranobe. 12 Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny làlan-kalehany. 13 Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia hianao, ka niteny tamin'izy ireo, avy any ambonin'ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, làlam-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary. 14 Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremany izy, tamin'ny alalan'i Moizy mpanomponao. 15 Avy any amin'ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy. 16 Kanjo ny razanay, latsaka am-piavonavonana izy ireo ka nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao.

17 Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin'ny didohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin'ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka hianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy. 18 Na dia tamin'izy nanao zanak'omby anidina aza, sy nilaza hoe: Ity no andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta ka rafitra nanevateva anao izaitsizy, 19 noho ny haben'ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an'efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dàlana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin'ny làlan-kalehany. 20 Nomenao ny fanahinao tsara izy hahatonga azy ho malina; tsy nolavinao tsy hohanin'ny vavany ny mananao, ary namonona rano hanala hetaheta azy hianao. 21 Efapolo taona dia namononanao izay nivelomany tany an'efitra izy, ka tsy mba nanana ny tsy ampy fahizany, ny fitafiany tsy nihatonta, ary ny tongony tsy mba nivonto.

22 Fanjakana amam-pirenena no natolotrao azy, ka nozarainao ho azy ireo ny faritanin'ireny, dia lasany avokoa ny tanin'i Sehona, ny tanin'ny mpanjakan'i Hesebona, ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana.

23 Nohamaroinao ho toy ny kintana eny an-danitra ny zanany ary nentinao izy ho any amin'ny tany, izay efa nolazainao tamin'ny razany, fa hidirany handray azy ho fananany. 24 Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin'ny tany, dia ny Kananeana, sy natolotrao ho eo an-tànany mbamin'ny mpanjaka sy ny vahoakan'ny tany, hataony amin'izay itiavany azy. 25 Afany ny tanàna mimanda, azony ny tany lonaka; ary nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany izy, lavaka famorian-drano efa voahady, voaloboka sy oliva mbamin'ny hazo fihinam-boa an-kabetsahana. Ary nihinana izy ka voky, dia nihamatavy ary nanaram-po tamin'ny zavatra mahafaly, noho ny hatsaram-ponao lehibe. 26 Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavalombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira anao izaitsizy izy.

27 Tamin'izay dia nafoinao izy, ho eo an-tanan'ireo mpampahory izay nampahory azy. Tamin'ny andron'ny fahoriany anefa nitaraina taminao izy, dia nihaino azy hianao any an-danitra, ary nentin'ny famindram-ponao lehibe dia nanome mpamonjy izay nanafaka azy teo an-tanan'ireo mpampahory. 28 Kanjo nony niadana hatreo izy, dia nanao ratsy eo anatrehanao indray, ka nafoinao ho eo an-tanan'ny fahavalony, sy tonga tapahin'ireny. Fa nitaraina taminao indray izy, ka nihaino azy hianao any an-danitra, sy nanafaka azy matetika noho ny famindram-ponao lehibe. 29 Nitsangan-ko vavolombelona namely azy hianao mba hamerina azy amin'ny làlanao, izy kosa nikiry tamin'ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino. 30 Dia mbola nandefitra taona maro ihany hianao; ny fanahinao, ny vavan'ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin'izay dia natolotrao ho eo an-tanan'ny vahoakan'ny tany izy. 31 Noho ny haben'ny famindram-ponao anefa tsy naringanao izy, na nilaozanao, fa Andriamanitra miantra sy mamindra fo hianao. 32 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, hianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin'ny andron'ireo mpanjakan'i Asiria, ka mandrak'izao anio izao.

33 Marina hianao tamin'izany rehetra nanjo anay izany, satria hianao nanaraka ny marina, izahay kosa nanao ratsy; 34 ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nanaraka ny lalanao, ka tsy nasiany raharaha ny didinao sy ny teny niampanganao azy. 35 Teo anatin'ny fanjakany, tao afovoan'ny soa be nataonao taminy, ary teo amin'ny tany malalaka sady lonaka natolotrao azy, tsy mba nanompo anao izy na niala tamin'ny ratsy fanaony. 36 Koa indro, andevo izahay izao! Indreto izahay andevo eto amin'ny tany nomenao ny razanay indrindra, hihinanany ny vokatra sy hiaranany amin'ny soa avy aminy. 37 Ny vokatra be avy aminy dia ho an'ny mpanjaka notendrenao hampanompo anay noho ny fahotanay. Ny tenanay mbamin'ny biby fiompinay koa ataony amin'izay itiavany azy, ka latsaka amin'ny fahoriana mafy izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101