Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-15

1 Ny valin-teny mora, mampitony havinirana; fa ny teny henjana, mampirehi-katezerana.

2 Ny lelan'ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahate-ho tia, ny vavan'ny adala miboiboika hadalana.

3 Ny mason'ny Tompo, dia amin'ny fitoerana rehetra; mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.

4 Ny teny mora, dia hazon'aina; fa ny vava ratsy, mamaky ny fo.

5 Ny adala maniratsira ny fampianaran-drainy; fa izay manararaotra ny fananarana kosa mihahendry.

6 Harem-be no ao an-tranon'ny marina; fikorontanana kosa no ao amin'ny fitomboan-karen'ny ratsy fanahy.

7 Ny molotry ny hendry mampiely ny fahaizana; fa tsy mba ny fon'ny adala.

8 Ny soron'ny ratsy fanahy, dia ankahalain'ny Tompo; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahany.

9 Ny lalan'ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason'ny Tompo; fa ny manaraka ny rariny, no tiany.

10 Famaizana mafy no mihatra amin'izay mivily lalana; izay mankahala anatra dia ho faty.

11 Ny seoly sy ny hantsana miharihary eo anatrehan'ny Tompo: ka mainka ny fon'ny zanak'olombelona!

12 Tsy te-hanarina ny mpamazivavy; ka tsy manatona ny hendry izy.

13 Ny fo ravoravo, mahamiramiran'endrika, fa raha malahelo kosa ny fo dia reraka ny fanahy.

14 Ny fo manan-tsaina, mikatsaka ny fahaizana, fa ny vavan'ny adala mifahana fahadalana.

15 Ratsy avokoa ny andron'ny mijaly, fa fanasana lava ny fo ravoravo.

16 Aleo ny kely ombam-pahatahorana an'ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ahiahy.

17 Aleo anana ombam-pitiavana; toy izay omby mifahy, ombam-pankahalana.

18 Ny olo-masiaka manetsik'ady, ny mahatsindry fo kosa, mampitsahatra fifandirana.

19 Ny lalan'ny kamo, toa fefy tsilo; ny lalan'ny olo-mahitsy dia voarina tsara.

20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; ny adala kosa maneso ny reniny.

21 Hafaliana ho an'ny olona tsy ampy saina, ny hadalana, fa ny olona manan-tsaina, momba ny lala-mahitsy.

22 Foana ny fikasana raha tsy misy ny fisainana; fa tanteraka kosa izy, raha maro no manolo-tsaina.

23 Fifaliana ho an'ny olona, raha nahavaly tsara ny vavany; ary mahafinaritra aoka izany ny teny atao amin'izay antonina azy.

24 Ny hendry mizotra lalan'aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin'ny seoly izay any ambany.

25 Ny tranon'ny mpiavonavona, ravan'ny Tompo; fa ny baorina mamaritra ny an'ny mpitondra-tena kosa aoriny mafy.

26 Halan'ny Tompo ny hevi-dratsy; fa madio eo imasony, ny teny maneho fitiavana.

27 Izay fatra-pikatsaka loatra ny fitomboan-karena manakorontana ny ankohonany; fa izay mankahala kolikoly, no ho velona.

28 Ny fon'ny marina, mihevitra izay tokony ho valiany, fa ny vavan'ny adala mitsaontsaon-dratsy.

29 Lavitra ny ratsy fanahy Iaveh, fa ny vavaky ny marina, henoiny.

30 Ny fijery maneho fitiavana maharavo ny fo; ny vaovao mahafaly mankatavy ny taolana.

31 Ny sofina mihaino anatra mahavonjy, manana anjara toerana eo amin'ny hendry.

32 Izay manda anatra manamavo ny fanahiny; fa izay mihaino fananarana mahazo ny fahendrena.

33 Ny fahatahorana an'ny Tompo, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1341