Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 16
Anatra samihafa.

       1Ny mamorona fikasana ao am-po no an'ny olona;
fa ny famalian'ny lela dia avy amin'ny Tompo.
       2Madio eo imason'ny olona ny lalany rehetra;
fa Iaveh ihany no mandanja ny fanahy.
       3Mangataha fanampiana amin'ny Tompo amin'ny asanao;
dia ho vanona ny fikasanao.
       4Nataon'ny Tompo ho amin'ny antony kendreny avokoa ny zavatra rehetra;
ary na ny ratsy fanahy aza ho amin'ny andro mahory koa.
       5Fahavetavetana amin'ny Tompo ny miavona am-po rehetra;
azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
       6Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no anonerana ny heloka;
ary ny fahatahorana an'ny Tompo no analavirana ny ratsy.
       7Raha sitrak'Iaveh ny lalan'ny olona,
na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.
       8Aleo kely ombam-pahamarinana
toy izay harem-be omban'ny tsy fahamarinana.
       9Ny fon'ny olona no misaina izay halehany,
fa Iaveh ihany no mitondra ny diany.
       10Teny to no eo amin'ny molotry ny mpanjaka;
aoka tsy hanota ny vavany raha mitsara izy.
       11Avy amin'ny Tompo ny mizana aman-delany mahiratra,
asany avokoa ny vato-mizana amin'ny kitapo.
       12Fahavetavetana amin'ny mpanjaka ny manao ratsy;
fa ny rariny no iorenan'ny seza fiandrianana mafy.
       13Mahita sitraka amin'ny mpanjaka, ny molotra marina;
ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.
       14Iraky ny fahafatesana ny hatezeran'ny mpanjaka;
ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.
       15Mampiaina ny fahamiramiranan-tarehin'ny mpanjaka;
ary toy ny oran-dohataona ny fanambinany.
       16Tsara noho ny volamena ny mahazo ny fahendrena;
mihoatra noho ny volafotsy ny mahazo ny fahalalana.
       17Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina;
ny mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
       18Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana,
ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
       19Aleo miara-mietry tena amin'ny madinika,
toy izay miara-mizara babo amin'ny mpiavonavona.
       20Mahita ny fahasambarana izay mihaino tsara ny teny;
ary sambatra izay mitoky amin'ny Tompo.
       21Izay hendry am-po dia antsoina hoe manan-tsaina;
ary ny hamamian'ny molotra mampitombo ny fahalalana.
       22Loharanon'aina ho an'izay manana azy ny fahalalana;
ary ny sazy ho an'ny adala dia ny fahadalany.
       23Manolo-pahendrena ny vavany, ny fon'ny hendry,
sady mampitombo ny fahalalana eo amin'ny molony.
       24Ny teny soa dia toho-tantely:
mamin'ny fanahy sy mahasalama ny vatana.
       25Misy lalana miseho ho mahitsy amin'ny olona;
kanjo lalana mankamin'ny fahafatesana no iafarany.
       26Miasa ho an'ny tenany ny mpiasa,
fa asesiky ny vavany hanao izy.
       27Loza no vononin'ny ratsy fanahy;
ary toa afo miredareda no eo amin'ny molony!
       28Ny olon-dratsy mamelona adiady,
ary ny mpitati-bolana mampisaraka ny mpisakaiza.
       29Ny olona mpanao an-keriny manodoka ny namany,
ka mitarika azy amin'ny lalana tsy tsara.
       30Izay mikipy maso hieritreri-pitaka,
sy izay efa manaikitraiki-molotra, dia manao ratsy.
       31Loza no vononin'ny ratsy fanahy;
ary eo amin'ny lalan'ny fahamarinana no ahitana azy.
       32Tsara noho ny mahery ny mahatsindry fo;
ary noho ny mahafa-bohitra ny mahazaka ny fanahiny.
       33Ny olona manipy ny filokana amin'ny zoron'akanjo,
fa avy amin'ny Tompo ihany izay fanapahana rehetra. >