Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 22
Ny laza tsara.
1Aleo laza tsara, toy izay harem-be,
ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.
2Mihaona ny mpanana sy ny mahantra,
samy asan'ny Tompo, izy roa tonta.
3Ny mahira-tsaina, mahatsinjo ny ratsy, dia miery;
fa ny kely saina kosa, mandroso ihany, ka voa.
4Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an'ny Tompo;
harena amam-boninahitra ary fiainana izany.
5Tsilo amam-pandrika no eny amin'ny lalan'ny ratsy fanahy,
fa izay miaro ny fanahiny kosa manalavitra izany.
6Ampianaro ny zaza ny lalana tokony alehany,
dia tsy hiala amin'izany izy, na rahefa antitra aza.
7Ny manan-karena manapaka ny mahantra;
ary ny misambotra mpanompon'ny mpampisambotra.
8Izay mamafy heloka, hijinja fahoriana,
ary ho foana ny tsorakazon'ny fahatezerany.
9Hambinina ny olona antra fijery,
fa anomezany ny mahantra ny mofony.
10Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana,
hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka.
11Izay tia ny fahadiovam-po
sy mahafinaritra ny tenin'ny molony, dia ho sakaizan'ny mpanjaka.
12Miaro ny fahaizana ny mason'ny Tompo,
fa mamaky betroka ny tenin'ny olon-dratsy kosa izy.
13Hoy ny kamo: Misy liona any ivelany!
Ho vonoin-ko faty eny an-kianja eny aho!
14Lavaka lalina ny vavan'ny vehivavy an'olon-kafa;
izay mahatezitra an'ny Tompo ho latsaka ao.
15Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana;
ny tsorakazon'ny famaizana no hanesotra izany aminy.
16Ny mampahory ny mahantra no mampitombo harena azy;
ny manome ny manankarena no mampihena ny ananany.
(Tenin'ny olon-kendry)
17Mampandria sofina ka henoy ny tenin'ireo hendry,
manombena saina amin'ny fampianarako.
18Fa zava-mahafinaritra izany raha tany tehirizinao ao anatinao;
aoka hipetraka eo amin'ny molotrao avokoa izy!
19Mba hianteheran'ny fitokianao amin'ny Tompo,
dia hianao no tiako ho toroana izao.
20Moa tsy efa imbetsaka va izaho no nanao an-tsoratra,
torohevitra amam-pampianarana ho anao?
21Mba ampianarana anao ny mahamarina ny zavatra fantatra tsara,
hahazoanao mamaly teny marina an'izay maniraka anao.
22Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra,
ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.
23Fa Iaveh hiaro azy ireny amin'ny adiny;
sy hanala aina an'izay nanendaka an'ireny.
24Aza mikambakambana amin'izay olona foizina,
na miarakaraka amin'izay olona masiaka:
25fandrao mianatra ny lalany hianao,
ka manomana fandrika ho an'ny fanahinao.
26Aza mba mety ho isan'izay mora manao fanekena,
dia ireo izay miantoka trosan'olona.
27Raha tsy manan-kaloa hianao,
nahoana no dia mitono-tena, halain'olom-parafara eo ambaninao?
28Aza mamindra ny faritany fahataloha,
izay efa naorin'ireo razanao.
29Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va hianao?
Ho eo anilan'ny mpanjaka no honenany,
fa tsy mba hifanila fonenana amin'ny olona ambany izy. >