Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-23

1 Raha tafaray latabatra amin'ny lehibe hianao, dia hevero tsara izay eo anatrehanao.

2 Andraso antsy ny tendanao, raha dia liana loatra hianao.

3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, fa hanina manodoka izany.

4 Aza miferin'aina ho tonga mpanan-karena, fadio ny mandany ron-doha amin'izany.

5 Te hanara-maso izay zava-mandalo va hianao? fa maniry elatra ny harena, ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.

6 Aza mihinana ny mofon'ny mpialona, ary aza mitsiriritra izay hanim-piny;

7 fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony; Mihinana, misotroa, hoy izy aminao, kanjo ny fony tsy momba anao akory.

8 Haloanao izay sombiny voatelinao; ary ho very maina ny teny soa nataonao.

9 Aza mba miteny hohenoin'ny adala, fa hohamavoiny foana, ny fahendren'ny lahateninao.

10 Aza mamindra ny faritany fahataloha; ary aza mitsofoka amin'ny sahan'ny kamboty.

11 Fa mahery ny mpamaly ho azy, dia hiaro azy amin'ny adiny aminao.

12 Mandraiketa ny fonao amin'ny fanoroana, ary ny sofinao amin'ny tenin'ny fahaizana.

13 Aza mitsitsy famaizana aman-janaka, fa tsy dia hahafaty azy akory raha kapohinao amin'ny tsorakazo.

14 Ny mikapoka azy amin'ny tsorakazo, no anafahanao ny fanahiny amin'ny seoly.

15 Anaka, raha hendry ny fonao, izaho koa, dia hifaly ny foko.

16 Dia hientan-kafaliana ny kiboko, raha miteny izay marina ny molotrao.

17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao, fa hitoetra mandrakariva amin'ny fahatahorana an'ny Tompo.

18 Satria misy tokoa ny ho avy, ka tsy ho foana ny fanantenanao.

19 Mihainoa, anaka, ka hendre; ampizory amin'ny lala-mahitsy ny fonao.

20 Aza mba anisan'ny mpiboboka divay, na eo amin'izay fatra-piletra hena,

21 fa hahantra ny fatra-pisotro amam-pihinan-kanina, ary mampisaringo-borodamba ny faharendremana.

22 Maneke ny rainao, izy izay niteraka anao; ary aza manamavo an-dreninao, saingy efa antitra izy.

23 Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin'ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.

24 Ravoravo ny rain'ny marina; izay miteraka ny hendry dia ho faly amin'izany.

25 Aoka hifaly ny ray aman-dreninao; aoka hiravoravo ny reninao niteraka anao.

26 Anaka, omeo ahy ny fonao, ary aoka hitandrina ny lalako, ny masonao;

27 fa lavaka lalina, ny akangavavy, ary lavaka famorian-drano ety, ny an'olon-kafa.

28 Mamela-pandrika toy ny hihaza remby izy, ary mampitombo isa ny mpivadika ao amin'ny olombelona.

29 Ho an'iza ny indrisy? Ho an'iza ny endrey? Ho an'iza ny fanditra? Ho an'iza ny fimonjomonjoana? Ho an'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? Ho an'iza ny maso mivaivay?

30 Ho an'ireo mijanonjanona ela amin'ny divay; ho an'ireo mandeha manandrana divay miharo zava-manitra.

31 Aza mijery ny divay: He izany hamenany, izany famirapirany eo amin'ny kopy, izany fikararanany mora loatra.

32 Fa hanaikitra toy ny bibilava izy amin'ny farany, ary hanindrona toy ny menarana.

33 Dia ho any amin'ny vehivavy an'olon-kafa ny masonao, ary hanao resaka ratsy ny fonao.

34 Hanahaka ny olona mandry eo afovoan'ny ranomasina, hianao; na ny olona matory eo an-tampon'ny andrin-tsambo.

35 Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy mahatsiaro maharary; nandalasiny aho... fa tsy mahare na inona na inona!... Rahoviana aho no hifoha?... Mbola ilaiko ihany izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1057