Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 24
Halaviro ny ratsy fanahy sy ny adala.
1Aza mialona ny ratsy fanahy,
na maniry hiaraka aminy akory.
2Fa fandozana no saintsainin'ny fony,
ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.
3Ny fahendrena no itsanganan'ny trano,
ary ny fahalalana no iorenany mafy.
4Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny,
amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5Feno hatanjahana, rahefa olon-kendry,
ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana.
6Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady,
ary ny mpanolo-tsaina maro no isian'ny famonjena.
7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena,
tsy mba mahaloa-bava izy, eo am-bavahady:
8Izay misaintsaina hanao ratsy,
no hatao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9Ota no fikasan'ny adala,
ary fahavetavetana eo imason'ny olona, ny mpamazivazy.
10Raha osa amin'ny andron'ny fahoriana hianao,
dia fahosana ihany ny herinao.
11Afaho izay entina hovonoina ho faty;
ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina.
12Raha hoy hianao: Tsy mahalala izany anie izahay!
moa tsy mahita izany va, ilay mandanja ny fo?
tsy mahalala izany va, ilay mitandrina ny fanahinao?
ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?
13Anaka, mihinana tantely fa tsara izany,
ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely.
14Ary fantaro fa torak'izany ny fahendrena ho an'ny fanahinao;
ka raha mahazo azy hianao, dia hanan-kiafarana,
ary tsy ho foana ny fanantenanao.
15Aza manotrika eo amin'ny fonenan'ny marina, ry ilay ratsy;
ary aza mandrava ny toerana fitsaharany,
16fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany;
ny ratsy fanahy kosa avarina amin'ny loza.
17Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao;
ary aza miravoravo fo amin'ny faharavany.
18fandrao hitan'ny Tompo izany, ka ratsy eo imasony,
dia haviliny tsy ho aminy, ny hatezerany.
19Aza sosotra noho ny amin'ny ratsy fanahy,
na mialona an-dry zareo olon-dratsy,
20fa tsy mba manan-kiafarana ny manao ratsy,
ary ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.
21Anaka, matahora an'ny Tompo sy ny mpanjaka,
ary aza mba miharoharo amin'ny olona mpanakorontana.
22Fa hidona tampoka ny lozan'ireny,
ary iza moa no mahalala izay hanjo azy isany?
(Teny hafa avy amin'ny olon-kendry)
23Izao manaraka izao koa no avy amin'ny hendry:
Tsy mety ny mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24Izay milaza amin'ny ratsy hoe: Marina hianao,
dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.
25Fa izay mamay azy kosa ankalazaina,
mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana.
26Manoroka ao amin'ny molotra,
izay mahavoaka valy marina.
27Alamino ny asanao eo ivelany;
ny sahanao aloha no iraiketo asaina,
vao izay no manao ny tranonao hianao.
28Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana,
fa hianao angaha te-hamitaka amin'ny molotrao?
29Aza manao hoe: Hataoko aminy izay nataony tamiko;
hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny.
30Nandalo ny sahan'ny kamo aho,
sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala.
31Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza,
roy no mandrakotra eny rehetra eny,
mirodana koa ny tamboho vato aminy.
32Nijery aho, ka nandinika tao am-poko,
nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:
33Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany,
ohon-tanana kely hatory,
34dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao,
ary toy ny lehilahy mitam-piadiana, ny tsy fanananao. >