Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 26
1Toy ny oram-panala fahavaratra sy ranonorana amin'ny taom-pijinjana,
no tsy iendrehan'ny voninahitra ho an'ny adala.
2Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin'ny sidintsidina,
no tsy fihatry ny ozonozom-poana.
3Ny karavasy ho an'ny soavaly, ny lamboridy ho an'ny ampondra,
ary ny tsorakazo ho an'ny lamosin'ny adala.
4Aza mamaly ny adala araka ny hadalany,
fandrao dia manahaka azy koa hianao.
5Valio araka ny hadalany ny adala,
fandrao dia manao azy ho hendry izy.
6Manapaka ny tongony sy misotro tsy fahamarinana,
izay mampitondra teny ny adala.
7Esory amin'ny mandringa ny tongony,
sy ny oha-teny eo am-bavan'ny adala.
8Toy ny mamehy vato amin'ny antsamotady,
ny manome voninahitra ny adala.
9Toy ny tsilo milentika amin'ny tanan'ny mamo,
ny oha-teny eo am-bavan'ny adala.
10Toy ny mpandefa tsipìka mandratra ny olona rehetra,
ny manakarama ny adala sy ny mpandalo.
11Toy ny amboa miverina amin'ny loany,
toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
12Raha mahita olona manao azy ho hendry hianao,
ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
13Hoy ny kamo: Misy liona any an-dalam-be;
misy liona atsy amin'ny arabe.
14Ny varavarana mihodina eo amin'ny saviliny,
toy izany koa ny kamo mihodina eo amin'ny fandriany.
15Mangaron-dovia amin'ny tanany ny kamo;
ary manahirana azy ny hampakatra izany eo am-bavany.
16Ny kamo manao ny tenany ho hendry,
mihoatra ny mpihevitra fito mahira-tsaina.
17Toy ny olona misambotra amboa amin'ny sofiny,
ny mpandalo misafoaka amin'ny adin'ny hafa.
18Toy ny mpisafoaka mandefa longy mirehitra afo,
sy zana-tsipìka amam-pahafatesana,
19ny olona izay efa namitaka ny namany,
ka manao hoe: Vosibositra fotsiny no nataoko.
20Raha tsy eo ny kitay maty ny afo:
alavito ny mpitati-bolana, mitsahatra ny fanditra.
21Ny arina mampisy vainafo, ny kitay mampisy afo,
ny olona tia ady kosa mamelona fifandirana.
22Toy ny hanim-py ny tenin'ny mpitati-bolana,
ka mikorotsaka hatrany anatin'ny tsinay.
23Vilany tany mipetaka taim-bolafotsy,
ny molotra maimay miaraka amin'ny fo ratsy.
24Mihatsaravelatsihy amin'ny vavany ny mpankahala,
kanjo manafi-pitafaka ao anatiny;
25koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy,
fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26Azony afenina ihany amin'ny fihatsaram-belatsihy ny fankahalany,
nefa mbola hiharihary eo amin'ny fivoriana ny faharatsiany.
27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao;
ary izay manakodia vato no hikodiavany.
28Mankahala izay olona simbany ny lela mandainga,
ary mampidi-doza, ny vava mandoka. >