Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-27

1 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoaky ny andro manaraka.

2 Aoka ny hafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao; ary ny vahiny, fa tsy ny molotrao.

3 Madonda ihany ny vato, mavesatra koa ny fasika, fa mavesatra noho ireo indray ny hasosoran'ny adala.

4 masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana, fa zovy no hahatoetra raha asian'ny fialonana?

5 Aleo anatra imaso, toy izay fitia miafina.

6 Ny ratra avy amin-tsakaiza dia vokatry ny fitiavany tsy mivadika, fa ny oroky ny fahavalo kosa, fitaka foana.

7 Amin'ny voky, na ny toho-tantely aza hoseny tongotra fotsiny, fa amin'ny noana, na ny zava-mangidy aza, maminy avokoa.

8 Toy ny vorona mirenireny lavitra ny akaniny: toy izany koa ny olona mirenireny lavitra ny fonenany.

9 Mampiravoravo ny fo ny diloilo aman-java-manitra; torak'izany ny hamamian-tsakaiza manoro hevitra avy amin'ny fony.

10 Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao; ary aza miditra ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andron'ny fahorianao: fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.

11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hahaizako mamaly an'izay miteny ratsy ahy.

12 Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny ratsy ka miery; ny kely saina mandroso ihany ka voan'izany.

13 Endaho ny lambany fa efa niantoka ny hafa izy, mangala antoka aminy noho ny amin'ny vahiny.

14 Ny misaotra ny namany, maraina koa amin'ny feo avo, dia isaina ho toy ny manozona ihany.

15 Ny fijononoky ny rano mitete ao an-trano amin'ny andro manorana, sy ny vehivavy tia ady dia sahala tsy misy hafa.

16 Ka izay mitana azy, mitana rivotra, ary ny tanany mahafihina diloilo.

17 Vy ihany no maharanitra ny vy; olona ihany koa no maharanitra olon-kafa.

18 Izay mitahiry ny aviaviny hihinana ny voany; ary izay miaro ny tompony homem-boninahitra.

19 Toy ny ifanahafan'ny tarehy sy ny tandindony ao anaty rano, no ifanahafan'ny fon'ny olona sy ny an'ny olon-kafa koa.

20 Tsy mety voky ny fasana aman-tseoly, tsy mety afa-po toy izany koa ny mason'ny olombelona.

21 Ny memy atao hanadio ny volafotsy; ny fandrendrehana hanadio ny volamena, ary ny fiderana raisin'ny olona, aoka hozahany toetra toy izany koa.

22 Na hototoinao ao an-daona aza ny adala, tahaka ny fitoto vary amin'ny fanoto, tsy hisaraka aminy ny hadalany tsy akory.

23 Fantaro tsara ny toetry ny ondrinao, ny sainao ento mandinika ny biby fiompinao;

24 fa ny harena tsy maharitra mandrakizay, na ny satro-boninahitra amin'ny taona mifandimby.

25 Nefa rahefa nitranga ny ahitra ka niseho ny zava-maitso, ary voaangona ny vilona avy eny an-tendrombohitra,

26 dia indreo ny zanak'ondry hahazoanao fitafiana; ny osilahy hividiananao saha anankiray:

27 be ny rononon'osy ho sakafonao sy ny ankohonanao, ary ho famelomana ny ankizivavinao koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0508