Bokin'ny Ohabolana

Toko faha-28

1 Mandositra tsy enjehina ny ratsy; fa matoky toy ny liona kosa ny marina.

2 Amin'ny tany tsy mandry, mihamaro ny mpanapaka, fa amin'ny olona manan-tsaina sy hendry kosa maharitra ny filaminana.

3 Ny olo-mahantra mampahory ny malahelo, dia orana mivatravatra mahatonga mosary.

4 Ny mahafoy ny lalana dia mandoka ny ratsy fanahy; fa ny manara-dalana kosa mitezitra aminy.

5 Ny olon-dratsy tsy mahalala ny mety, fa ny mitady an'ny Tompo kosa, mahalala ny zavatra rehetra.

6 Aleo olo-mahantra ombam-pahamarinana; toy izay olona miolikoli-dalana sy manan-karena.

7 Izay mitandri-dalana dia zanaka hendry, fa izay mamelona ny mpijangajanga manome henatra an-dreniny.

8 Izay manangon-karena amin'ny zana-bola amam-pilan-tombony be loatra, dia manangona izany ho an'izay miantra ny mahantra.

9 Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalana, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.

10 Izay mamily ny mahitsy fo, ho amin'ny lalan-dratsy, dia mandatsaka ny tenany amin'ny lavaka nohadiny, fa ny tsy misy tsiny dia handova ny fahasambarana.

11 Ny manankarena manao ny tenany ho hendry; fa ny mahantra manan-tsaina kosa, mahalala azy ihany.

12 Raha mandresy ny marina dia misy fety lehibe fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, samy miery ny olona.

13 Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.

14 Sambatra ny olona izay manam-pahatahorana mandrakariva; fa izay manadonto ny fony kosa ho latsaka anatin'ny fahoriana.

15 Liona mierona sy orsa noana; toy izany ny ratsy fanahy manapaka amin'ny olo-mahantra.

16 Ny mpanapaka tsy manan-tsaina mampitombo ny famoretana, fa izay mankahala ny fierenana kosa, ho lava andro iainana.

17 Izay mivesatra ny ran'olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.

18 Hahita famonjena ny mandeha amin'ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.

19 Ny miasa ny taniny, ho voky hanina; fa ny manenjika zava-poana, ho voky fahantrana.

20 Ny olona mahatoky, ho feno fanambinana, fa ny maimay hanankarena, tsy hialam-pahadisoana.

21 Tsy mety ny mizaha tavan'olona, fa sombi-mofo monja, dia mahatonga ho olo-meloka.

22 Maimay ny hanankarena, ny mpialona, tsy fantany fa ho tonga aminy ny tsy fahampiana.

23 Ny mananatra olona dia hahita fitia kokoa rahatrizay, noho ny mahatonga ny lelany ho mpidoka.

24 Izay mandroba ray aman-dreny, ka manao hoe: tsy fahotana izany, dia naman'ny jiolahy.

25 Ny olona matimatin-karena, mamelona ady, fa izay mitoky amin'ny Tompo, dia ho voky.

26 Adala izay mitoky amin'ny fon'ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.

27 Tsy ho voan'ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran'ozona kosa, izay mihirim-belona.

28 Raha misandratra ny ratsy fanahy, miery avokoa ny olona, fa raha ringana kosa ireny, mihamaro ny marina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1096