Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 30
Tenin'i Agora.

       1Tenin'i Agora, zanak'i Jake; oha-teny.
Hoy izany lehilahy izany:

Nanasa-tena aho, mba hahalalako an'Andriamanitra,
mba hahalalako an'Andriamanitra dia lany ny heriko.
       2Fa ketrina noho ny olona rehetra aho,
ary tsy mba sain'olombelona ny ahy.
       3Fa tsy mba nianatra ny fahendrena aho,
ary tsy fantatro ny fahalalana an'ilay Masina.
       4Iza no miakatra any an-danitra, ary iza no midina avy any?
Iza no nanangona ny rivotra teo an-tanany?
Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany?
Iza no mampiorina mafy ny faran'ny tany rehetra?
Iza no anarany, ary iza no anaran-janany?
Mahalala izany va hianao?
       5Voazaha toetra tamin'ny afo avokoa ny tenin'Andriamanitra;
ampinga ho an'izay mialoka aminy izy.
       6Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny;
sao anariny hianao, ka ho hita fa mpandainga.
       7Zavatra roa no angatahiko aminao,
ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho:
       8Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga;
aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena.
Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
       9fandrao voky aho dia manda anao,
ka hanao hoe: Iza moa Iaveh?
ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra,
ka hanamavo ny anaran'Andriamanitra.
       10Aza manendrikendrika mpanompo amin'ny tompony,
fandrao hozoniny hianao, ka hitondra faisana amin'izany.
       11Misy taranaka manozona ny rainy,
sady tsy misaotra ny reniny.
       12Misy taranaka manao ny tenany ho madio,
kanjo tsy voasasa amin'ny fahalotoany.
       13Misy taranaka, miandranandram-pijery aoka izany,
sady miavoavo hodimaso ery!
       14Misy taranaka, ka sabatra ny nifiny,
ary antsy ny vazany;
hihinana ny ory tsy ho amin'ny tany,
sy ny tsy manana tsy ho eo amin'ny olombelona.
       15Manan-janakavavy roa ny dinta, dia ny hoe: Omeo! Omeo!
Zavatra telo no tsy mety voky,
efatra no tsy mba manao hoe: Aoka izay! na oviana na oviana;
       16dia ny seoly, ny kibo momba,
ny tany tsy vonton-drano,
ary ny afo koa izay tsy mba manao hoe: Aoka izay! na oviana na oviana.
       17Ny maso maniratsira ny ray,
sy maneso ny fanoavan-dreny,
dia hogorobahin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka,
sy hohanin'ny zana-boromahery.
       18Misy zavatra telo mihoatra ny saiko,
efatra aza no tsy takatro:
       19dia ny dia nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka;
ny dia nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy;
ny dia nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina;
ary ny famantaran'ny nandehanan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.
       20Toy izao no lalan'ny vehivavy mpaka vadin'olona:
Mihinana izy, dia mamafa ny vavany,
ka manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
       21Raha vesaran'ny zavatra telo ny tany no mihorohoro,
ary raha vesaran'ny efatra izy no tsy tantiny:
       22raha tsindrian'ny andevo sendra mahazo fanjakana,
na adala rahefa voky hanina izy io;
       23na tsindrian'ny vehivavy tsy nisy mpaka raha ampakarina;
na ankizivavy mandova tompovavy.
       24Eto an-tany dia misy biby efatra kely dia kely,
nefa hendry dia hendry kosa izy ireo:
       25Ny vitsika izay firenena tsy manan-kery,
dia mamonona ny haniny amin'ny fahavaratra;
       26Ny damana izay firenena tsy manam-pahefana,
dia manao ny tranony eny amin'ny haram-bato.
       27Ny valala, tsy manam-panjakana,
nefa miainga, manao antokony avokoa izy ireo;
       28ny antsiantsy, azonao samborin-tanana,
nefa ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
       29Misy biby telo tsara famindra,
ary efatra no tsara fandeha;
       30ny liona, biby mahery fo indrindra,
tsy mihemotra, na amin'inona na amin'inona hiadiany;
       31ny biby kinga valahana, mbamin'ny osilahy,
ary ny mpanjaka, tsy azon'olona tohaina.
       32Raha dia efa adala loatra hianao, ka mila ho entin'avonavona,
raha manan-kevitra izany hianao, dia tampeno tanana ny vavanao;
       33fa ny fivelezana ny ronono miteraka dibera,
ny fanerena ny orona miteraka ra;
ary ny fanohinana ny hatezerana, miteraka fifandirana. >