Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 5
Tokony hifady ny fitiavana maloto sy hiraikipo amin'ny anjara.

       1Anaka, tandremo izao fahendreko izao,
ary mampandria sofina amin'izao fahalalako izao;
       2mba hitahirizanao ny fisainana,
sy haharetan'ny molotrao amin'ny fahanginana.
       3Fa mitete tantely ny molotry ny vehivavy an'olon-kafa,
ary mamy noho ny diloilo ny vavany.
       4Nefa ny farany mangidy toy ny absinta,
maranitra toy ny sabatra roa lela.
       5midina ho any amin'ny fahafatesana ny tongony;
mamantana ho any amin'ny seoly ny diany.
       6Tsy mandinika ny lalan'ny fiainana,
fa manjenjena tsy mahalala izay halehan'ny diany akory izy.
       7Koa ankehitriny mihainoa ahy hianareo, anaka,
ary aza mihataka amin'ny teny aloaky ny vavako.
       8Hampanalaviro azy ny lalanao,
aza akekezinao ny varavaran'ny tranony,
       9fandrao dia atolotrao ny hafa ny tsara indrindra amin'ny andron'ny fahatanoranao,
ary atolotrao ny tompo masiaka ny taonanao;
       10fandrao dia olon-kafa no hivoky amin'ny fanananao;
ary hifindra any an-tranon'ny sasany ny vokatry ny asanao;
       11fandrao dia mitoloko hianao any am-parany,
rahefa avy izay hahalevonan'ny nofonao amam-batanao;
       12ka hanao hoe: Naninona re aho no nankahala famaizana,
ary naninona re ny foko no nanamavo fananarana?
       13Naninona re ah no dia tsy nihano ny feon'ny mpampianatra ahy,
ka tsy nampandry sofina tamin'ireo nampianatra ahy?
       14Efa saiky tonga tamin'ny fara-fahoriana aho,
teo afovoan'ny vahoaka sy ny fiangonana.
       15Ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao no sotroy,
ny rano mandeha avy amin'ny fantsakanao.
       16Hiparitaka any ivelany anie ny loharanonao;
ary handeha any amin'ny kianja anie ny sakeli-dranonao!
       17Aoka ho anao irery izy,
fa aza iombonana amin'ny hafa.
       18Hosoavina anie ny loharanonao,
ary ny vadin'ny fahatanoranao no ataovy fifalianao.
       19Fa serfavavy mahateho-tia izy ary gazela mahafinaritra,
ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava,
ary ho raiki-pitia aminy mandrakariva hianao!
       20Ahoana no ho raiki-pitia veivavy an'olon-kafa hianao, anaka,
ka hanohona izay tratran'olon-tsy fantatra?
       21Fa eo imason'ny Tompo ny lalan'ny olombelona,
dinihiny avokoa ny lalany rehetra.
       22Ny ratsy fanahy mihitsoka amin'ny ratsy nataony,
ny famatoran'ny fahotany ihany no maningotra azy;
       23Ho faty noho ny tsy fahazoany famaizana izy,
ary ho voafitaky ny hadalany tafahoatra. >