Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'ny Ohabolana

Ohabolana toko 7
Famporisihana hafa koa, hanalavitra ny vehivavy janga.

       1Anaka, tano ny teniko,
tehirizo ao aminao ny didiko.
       2Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao,
tandremo hoatra ny anakandriamasonao ny fampianarako.
       3Afehezo ho eo ambonin'ny rantsan-tànanao izy.
Soraty eo amin'ny latabatry ny fonao izy.
       4Ny fahendrena ilazao hoe: Anabaviko hianao.
Ary ny fahalalana antsoy hoe sakaizanao,
       5mba hiarovany anao amin'ny vadin'ny namana,
sy amin'ny vehivavy an'olon-kafa manao teny mandrobo.
       6Teo am-baravaran-kelin'ny tranoko,
nitazana teo amin'ny makarakara aho.
       7Tsikaritro teo amin'ireo tsy ampy saina,
nahatsikaritra zazalahy iray kely saina, tamin'ireo zatovo ireo, aho.
       8Nandalo teo an-dalambe, anilan'ny fonenan'ny vehivavy an'olon-kafa izy,
dia nandroso ho eo amin'ny tranony.
       9Efa takariva izay, ilay efa somambisamby iny,
tao anatin'ny alina sy ny aizina.
       10Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray
manao fitafian'olon-janga, manafin-kevitra am-po.
       11Mihavatravatra tsy azo atao amin'ahoana,
tsy mahapetraka an-trano ny tongony;
       12mbetika ery an-dalam-be, mbetika ery amin'ny kianja,
ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no mitsikilo.
       13Nosavihiny ity zazalahy, dia norohany,
ary sady manao tarehin'ny tsy valahara izy no milaza aminy hoe:
       14Tsy maintsy nanatitra sorom-pihavanana aho,
ary nefaiko androany ny voadiko.
       15Ka dia nivoaka hitsena anao aho,
mba hitady anao, ka indro, nahita tokoa.
       16Ny farafarako efa nasiako rako-pandriana,
dia lamba fandrakofana folin'i Ejipta;
       17Ny fandriako efa norarahako zava-manitra,
dia myrha, aloesy, ary sinamoma.
       18Andeha isika hivoky fitia, mandra-paharain'ny andro,
andeha isika hiarana amin'ny fahafinaretan'ny nofo.
       19Fa tsy ao an-trano ny vadiko,
lasa nivahiny lavitra izy.
       20Nentiny any aminy any, ny fitapom-bola;
tsy hody izy raha tsy efa feno ny volana.
       21Ambosiny amin'ny teny maro eo izy,
ary taominy amin'ny tenin'ny molony;
       22dia rafitra nanaraka azy miaraka amin'izay izy,
tahaka ny omby entina hovonoina,
tahaka ny adala mihazakazaka ho any amin'ny gadra anasaziana azy,
       23mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin'ny atiny;
tahaka ny vorona miantoraka amin'ny fandrika,
tsy mahalala fa mihatra amin'ny ainy izany.
       24Ka ankehitriny, anaka, henoy aho,
ary heony tsara ny teny aloaky ny vavako.
       25Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin'ny lalan'io,
aza maniasia any amin'ny sakeli-dalany.
       26Fa maro no efa noratrain'izy io,
ary betsaka no voan'izy io.
       27Ny tranony dia lalana mankany amin'ny seoly,
izay midina ho any amin'ny fonenan'ny fahafatesana. >