Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 9, 1-6,
Roa karazana ny fanasana iantsoana ny olombelona, dia ny an'ny fahendrena sy ny an'ny fahadalana.
1Ny fahendrena efa nanorina ny tranony,
efa nipaika ny andriny fito,
2efa namono ny bibiny, nampifangaro ny divainy,
ary efa nanamboatra ny latabany.
3Naniraka ny ankizivaviny izy, dia miantso
eo an-tampon'ny havoan'ny tanana:
4Aoka hiditra aty izay kely saina!
Ary hoy izy amin'izay tsy manan-tsaina:
5Avia, hano ny mofoko,
ary sotroy ny divay nampifangaroiko.
6Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona hianareo;
ary mizora amin'ny lalan'ny fahazavan-tsaina. >