Bokin'i Osea
Osea toko 1
Ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady, sy ireo zanany famantarana maneho ny tsinin'Israely, sy ny famaizana miandry azy.
1Tenin'ny Tompo, tonga tamin'i Osea, zanak'i Beerì, tamin'ny andron'i Oziasa sy Joatama sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasa, mpanjakan'Israely.
2Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'ny Tompo tamin'i Osea, izao no nolazain'ny Tompo tamin'i Osea: Mandehàna hianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon'ny tany hafa-tsy ny misaraka amam-bady amin'ny fandaozana an'ny Tompo. 3Dia nandeha izy, naka an'i Gomera, zanakavavin'i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy. 4Ary hoy Iaveh taminy: Ataovy hoe Jezrahely ny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan'ny taranak'Israely. 5Amin'izany andro izany, hotapahiko, eo amin'ny tanilemaka Jezrahely, ny tsipìkan'Israely. 6Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy Iaveh tamin'i Osea: Ataovy hoe Lo-Rokhama no anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak'Israely aho ka hamela heloka azy. 7Fa ny taranak'i Jodà no hiantrako; ary Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy. 8Nony notazany Lo-Rokhama, dia nanana anaka indray ravehivay, ka nitera-dahy. 9Dia hoy Iaveh tamin'i Osea: Ataovy hoe Lô-Ammì no anarany, fa hianareo tsy vahoakako, ary izaho tsy ho Andriamanitrareo. >