Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Osea

Osea toko 10
Horavana ny otelin'Israely, ary izy ho fongana noho ny helony efa hatramin'ny ela be sady tsy anenenany.

       1Voaloboka mirobona ery Israely,
efa mavesatry ny voany.
Araka ny habetsahan'ny voany
no ampitomboany ny oteliny;
araka ny hatsaran'ny taniny,
no hatsaran'ny tsangam-bato nataony.
       2Mpihatsaravelatsihy ny fony;
ka efa hivesatra ny valin'izany izy.
Hanjera ny oteliny izy,
handrava ny tsangam-batony.
       3Tsy ho ela no hilazany hoe: Tsy manam-panjaka isika,
noho isika tsy natahotra an'ny Tompo;
fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
       4Hanonona teny izy ireo,
manao fianianana tsy misy antony,
sy mandraikitra fanekena;
ary ny fitsarana kosa hiposaka toy ny fivelatry ny pavoty
eny amin'ny saha voasoritsoritra.
       5Noho ny ombivavy kely ao Betavena
no atahoran'ny mponina ao Samaria,
satria ny vahoakany misaona ny sampiny,
ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy,
noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.
       6Hoentina any Asiria koa izy,
hatao fanatitra ho an'ny mpanjaka mpamaly;
ho azon'ny henatra Efraima,
hangaihay noho ny hevitra voakasany Israely.
       7Levona Samaria;
ny mpanjakany dia toy ny tapak'ahitra
eo ambonin'ny rano.
       8Ho rava ny fitoerana avon'i Avena,
izay fahotan'Israely;
handadian'ny tsilo amam-boarointsaka ny oteliny.
Ny tendrombohitra hilazany hoe: Sarony izahay!
ary ny havoana hataony hoe: Mianjerà aminay!
       9Efa nanota hatramin'ny andro, fony tany Gabaà, hianao, ry Israely;
mikiribiby amam-keloka izy ireo.
Moa tsy hahatratra azy ireo koa any Gabaà
ny ady voalaza hatao amin'ny zanaky ny faharatsiana?
       10Hofaiziko araka ny sitra-poko izy ireo;
ary ho tafangona hamely azy ny firenena,
rahefa hafatotra amin'ny fahotany roa izy ireo.
       11Efraima dia ombivavy kely tsara folaka,
finaritra ny hively vary.
Izaho kosa nanisy jioga ny vozony tsara tarehy;
Efraima hampitarihako kodiarana.
Jodà hiasa;
Jakoba hitarika fihogo famakiam-bainga.
       12Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo;
ataovy araka ny famindram-po ny fijinjanareo;
miasà tany vao ho anareo;
fa efa fotoana hitadiavana an'ny Tompo izao,
mandra-pihaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.
       13Fa hianareo niasa ny faharatsiana,
nijinja ny faharatsiana,
nihinana ny vokatry ny lainga.
Nitoky tamin'ny làlanao hianao,
sy tamin'ny hamaroan'ny lehilahy maherinao.
       14Indro velona ny tabataba ao amin'ny vahoakanao,
ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao,
tahaka ny nandravan'i Salmana an'i Beta-Arbela,
tamin'ny andron'ny ady
izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin'ny zanany.
       15Izany no nataon'i Betela taminareo,
noho ny haratsianareo loza loatra.
Vao tonga ny maraina dia levona teo ny mpanjakan'Israely. >