Bokin'i Osea

Toko faha-12

1 Efraima nanodidina ahy tamin'ny lainga, ary ny taranak'Israely tamin'ny tafika, Joda koa efa tapa-kofehy ny amin'ny momba an'Andriamanitra, ny amin'ny momba an'Ilay Masina izay mahatoky.

2 Efraima, mihinan-drivotra, sy manenjika ny rivotra avy atsinanana. Mampiavosa lainga amam-pandozana mandritra ny andro izy; manao fanekena amin'i Asora izy ireo, ka entina ho any Ejipta ny diloilo.

3 Manana ady amin'i Jodà koa Iaveh; efa hamay an'i Jakoba, araka ny làlany izy, sady hamaly azy araka ny asa nataony.

4 Mbola tao am-bohoka Jakoba nanongona ny rahalahiny, ary tamin'ny fahavitrihany dia nitolona tamin'Andriamanitra.

5 Niady tamin'ilay anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan'Andriamanitra tamintsika.

6 Ary Iaveh no Andriamanitry ny tafika; Iaveh no anarany.

7 Ary hianao kosa dia mba hiverina amin'Andriamanitrao; tandremo ny famindram-po sy ny rariny; ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.

8 Kanaana mitana mizàna mandainga; ny miharaka no tiany.

9 Efraima nanao hoe; Mba nihary harena ihany aho anefa, ka nahazo fananana be aho; ary amin'izay azoko rehetra, dia tsy ho hita amiko izay famonoana antoka azo atao ho fahotana.

10 Ary izaho no Iaveh Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Ejipta; mbola hampitoetra an-day anao aho toy ny amin'ny andro fety.

11 Niteny tamin'ny mpaminany aho, ary izaho koa no nahamaro ny fahitana, ary niteny tamin'ny fanoharana aho tamin'ny alalan'ny mpaminany.

12 Raha zava-poana Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny oteliny ho toy ny antontam-bato eny amin'ny saha voasoritsoritra.

13 Nandositra ho any amin'ny tany Arama Jakoba; nanompo mba hahazoany vady Israely; dia niandry ondry izy hahazoany vady.

14 Ary mpaminany no nentin'Andriamanitra nampiakatra an'Israely avy tany Ejipta, mpaminany no nentiny niahy azy.

15 Nanantsy mafy ny fahatezeran'Andriamanitra Efraima, ka havelany hitsingerina aminy ny rany, ary hovalian'ny Tompo izy noho ny fanalam-baraka nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368