Bokin'i Osea

Toko faha-13

1 Raha vao niteny Efraima, dia nihorohoro ny olona; nisandratra izy teo amin'Israley. Fa tonga meloka izy noho ny amin'i Baala, ka maty.

2 Ary ankehitriny izy ireo mandroso manota ihany; nanao sarin-javatra anidina tamin'ny volany, dia sampy araka izay hevitra foroniny: asan'ny mpanao tao-zavatra foana izany! Izao no filazan'ny olona azy ireo! Mpanao sorona olona, manoroka zanak'omby.

3 Noho izany izy ireo dia ho tahaka ny rahona maraina, ho toy ny ando amin'ny maraina malaky levona, ho tahaka ny akofa paohin'ny rivotra avy eo am-pamoloana, ary ho tahaka ny setroka mivoaka avy eo am-baravarankely.

4 Ary izaho no Iaveh, Andriamanitrao, hat'rany amin'ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra hafa-tsy izaho hianao; ary eo ivelan'ny tenako tsy misy mpamonjy.

5 Nahalala anao tany an'efitra aho tany amin'ny tany fahamainana.

6 Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky; nivoky izy ka nisondrotra ny fony; ka izany no nanadinoany ahy.

7 Izaho kosa amin'izy ireo, dia ho toy ny liona, ho tahaka ny pantera, hamitsahako eny amoron-dàlana izy.

8 Hiantoraka aminy toy ny orsa very anaka aho, handriatra ny sarom-pony aho ary handrapaka azy eo, toy ny liom-bavy; ny biby any an-tsaha hamotipotika azy.

9 Izao no mahavery anao, ry Israely, dia hianao manohitra ahy, manohitra an'izay vonjinao.

10 Aiza ary izay mpanjakanao, hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo mpitsaranao, izay nilazanao hoe: Omeo mpanjaka amam-panapaka aho?

11 Omeko mpanjaka hianao amin'ny hatezerako; ary esoriko ireny amin'ny fahavinirako.

12 voafehy ny helok'i Efraima, atao tsara tahiry ny fahotany.

13 Voan'ny fanaintainan'ny vehivavy, raha miteraka, izy; zaza tsy manam-pahendrena, fa nony tonga ny fotoana, tsy mandroso izy ho teraka.

14 Hanafaka azy amin'ny herin'ny seoly aho, hanavotra azy amin'ny fahafatesana. Ry fahafatesana ô aiza ny aretina fandripahanao? Ry seoly ô, aiza ny fandringananao? Miafina amin'ny masoko ny nenina.

15 Fa hahavokatra eo amin'ny rahalahiny Efraima; nefa ho tonga ny rivotra avy atsinanana; hiakatra avy any an'efitra ny fofon'ain'ny Tompo; ka ho maina ny loharanony; ho ankina ny fantsakany; hobaboiny ny firaketan'ny zava-tsarobidy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0511