Bokin'i Osea

Toko faha-14

1 Hofaizina Samaria, fa niodina tamin'Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon'ireo vadiny bevohoka.

2 Miverena amin'ny Tompo, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao.

3 Mitondrà teny hianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin'ny Tompo; lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray anao ho solon'ny vantotr'ombalahy ny teny avy amin'ny molotray.

4 Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin'ny asan'ny tànanay. Hianao, izay ahitan'ny kamboty fiantrana!

5 Hositraniko ny fiodinany; ho tiako amin'ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6 Ho toy ny ando aho amin'Israely; ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an'i Libàna.

7 Ny rantsany hisandrahaka; ny voninahiny, ho toy ny an'ny fototr'oliva, ary ny fofony manitra ho tahaka ny an'i Libàna.

8 Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin'ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain'i Libàna ny anarany.

9 Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin'ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso aho; izaho no ihavian'ny voanao.

10 Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany, izay manan-tsaina aoka hihaiky izany ho marina. Fa mahitsy ny làlan'ny Tompo; ka ny marina no hizotra eo, fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0965