Bokin'i Osea

Toko faha-4

1 Henoy ny tenin'ny Tompo, ry zanak'Israely, fa manan'ady amin'ny mponin'ny tany Iaveh, satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana na ny fahalalana an'Andriamanitra ao amin'ny tany.

2 Fa ny olona dia mivadika fianianana, mandainga, mamono, mangalatra, maka vadin'olona; ary manao an-keriny, ka ny ra nalatsaka mifanolotra ny ra nalatsaka.

3 Noho izany, misaona ny tany, ary tsy manan-kery ny mponina rehetra ao aminy, hatramin'ny biby any an-tsaha sy ny voromanidina; ringana mbamin'ny hazandrano any anaty ranomasina aza.

4 Nefa aza misy manohatra, aza misy mitaraina, fa efa toy ny manana ady amin'ny mpisorona ny firenenao.

5 Ho tafintohina hianao, amin'ny antoandro; hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminany amin'ny alina; ary hataoko levona ny reninao.

6 Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho hianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin'ny fisoronako koa hianao. Nanadino ny lalàn'Andriamanitrao hianao; ka hanadino ny zanakao koa aho.

7 Izy rehetra, na firy na firy, samy nanota tamiko ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.

8 Mivoky amin'ny fahotan'ny vahoakako izy ireo; ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.

9 Ho sahala ny hanjo ireny mpisorona ireny sy ny vahoaka; ho faiziko izy, noho ny làlany ary hatsingeriko aminy ny asany.

10 Hihinana izy fa tsy ho voky; hijangajanga fa tsy hitombo; satria efa nahafoy an'ny Tompo, tsy hanompoany azy izy.

11 Mahavery saina ny fijangajangana, ny divay, ny ranom-boaloboka.

12 Ny tapa-kazony no ilan'ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.

13 Manatitra sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy, mandoro emboka eny amin'ny havoana, eny ambany oaka amam-peopilié ary terebintha, satria tsara alokaloka ireny. Noho izany raha mijangajanga ny zanakavavinareo, sy maka vadin'olona ny vehivavinareo tanora,

14 samy tsy hofaiziko na ny zanakavavinareo noho ny fijangajangany, na ny vinantovavinareo tanora noho ny fakany vadin'olona; satria, na ireo koa aza, mihataka ho any amin'ny vehivavy janga, sy miara-manatitra sorona amin'ny karam-bavy. Ary mivarin-ko faty ny vahoaka tsy misaina.

15 Raha hianao no mijangajanga, ry Israely, aoka i Jodà tsy hilatsaka amin'ny heloka! Aza mankany Galgala, na miakatra any Betavena ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!

16 Satria Israely efa naditra, toy ny vantotr'ombivavy mitokona; ankehitriny kosa Iaveh hiandry azy toy ny zanak'ondry eny amin'ny tany lemaka malalaka.

17 Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; avelao izy ho eo!

18 Raha vao avy misotro izy ireo, dia rafitra mijangajanga. Zava-mahamenatra no hany tadiavin'ireo mpanapany.

19 Namihina azy tamin'ny elany ny rivotra, ka ho latsaka an-kenatra izy ireo noho ny sorona nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1457